Antanambao Manampotsy – Trano 129 lasa lavenona
Rava tanteraka ilay tanàna kely iray tany Antanambao Manampotsy taorian’ny haintrano nitranga. Trano miisa 129 no kila firehitra tanteraka ary lasa lavenona sy tsy nisy noraisina intsony. Zara raha nisy lehilahy rahateo tao an-tanàna tamin’io loza nitranga io satria lasa namonjy Saboraha tany an-kafa ny vatan-dehilahy matanjaka. Tsy afa-nanoatra firy ireo zaza amam-behivavy niandry tanàna nanoloana ny afo niredareda. Vokany, olona maherin’ny 400 no tsy manan-kialofana ary vary hatramin’ny 30 taonina ihany koa no may tanteraka. Fantatra fa vokatry ny tsy fitandremana no nahatonga ity loza mahatsiravina ity. Nisy vehivavy iray nanendy mofo mantsy tamin’ny trano hazo nefa tsy voafehiny ny afo sy menaka nampiasaina ka niteraka ny firehetan’ny tranony. Nihitatra tamin’ny trano hafa manodidina izany avy eo ka izao rava izao ny tanàna iray manontolo. Sahirana, noho izany ny mponina satria tsy manana na inona na inona azo antenaina intsony. Tsy maintsy mitodika any amin’ny fitondram-panjakana ny antso vonjy ataon’izy ireo mba hanome fanampiana hahafahana miatrika sy manarina indray ny fiainany.
Dom