Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Mahajanga – Lalao baolina nahafaty olona

Niafara tamin’ny faty olona ny baolim-pokontany tany Mahajanga. Nisy ny tsy nahataty vava sy tsy nahazaka resy ka tsy ny baolina boribory intsony no nifanenjehana nodakana fa ny mpilalao mihitsy no nifamono. Tsy vitan’izany fa mbola nisy nampiasa zava-maranitra ihany koa ka naratra mafy ny an-kilany. Tovolahy iray no voatsindron’antsy ka voatery nentina tany amin’ny hopitaly. Tsy tana anefa ny ainy ka niomana ny hamaly faty ireo mpiray tanàna aminy. Olona mipetraka ao Mahavoky ity maty ity ka nifampivory ny vatan-dehilahy rehetra fa hanao haza lambo sy fitsaram-bahoaka ilay nahavanon-doza. Nanoloana izany loza manambana izany dia efa nivonona ny hiaro tena ihany koa ny mponin’i Tsararano. Nahita izany rehetra izany ny sefom-pokontany ka nampandre haingana ny mpitandro filaminana mba hisorohana ny loza. Ny Emmoreg mihintsy no nandray an-tanana ny raharaha ka nidina teny an-toerana mba hitandro ny filaminana. Nisy ny vavolombelona nanatri-maso ny zava-nitranga ka nitantara tamin’ny mpitandro filaminana ny fandehan’ny ady.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre