Politikan-jaza !
Resaka fotsiny no bobaka hoy ny hiran’ny mpanakanto Samoela ! Tena nandiso fanantenana tanteraka ny fihetsika nataon’ny Antso ho an’ny fanavotam-pirenena tamin’ny faran’ny herinandro lasa iny. Mpitari-bato vilam-bava ka ny tondroin’ny tanana hafa ary ny tondroin’ny molotra hafa. Tsy araka ny fampanantenana mantsy ny fihetsik’ireo mpitarika ny Afp. Hadinon’izy ireo fa ny biby tsy mandeha tsy misy lohany. Niantso ny vahoaka hidina eny amin’ny kianjan’ny 13 mey sy Analakely ny Afp. Nirongatra nanao fanambarana ihany koa ny fikambanana maro ary nilaza fa manohana io hetsika io sy hanatevin-daharana amin’izany. Efa nandrahona mafy anefa ny mpitandro filaminana ary nilaza mihitsy fa handrava ny hetsika sy hisambotra ary mety hitifitra raha misy ny fihoaram-pefy. Novalian’ny Afp avy hatrany izany fa tsy matahotra fandrahonana izy ireo ary vonona hiatrika na inon-kidona na inon-kihatra. Naheno io ny vahoaka ka nahazo hery ary tonga marobe teny Analakely mba hanao ny fihetsiketsehana. Nanjavoka anefa ireo mpitarika fa tsy nisy sahy nankeny Analakely ka rava ho azy ny hetsika na dia efa hita soritra aza fa ho fahombiazana raha ny fahamaroan’ny olona. Natahotra ny mpitarika ny Afp sy ireo fikambanana samihafa izay nanao be fiavy tamin’ny fanambarana maro fa ho avy. Nihomehezan’ny fitondrana Hvm fotsiny fa mpanao fomban’ny kanosa. Be vava eny ambony latabatra fa tsy sahy midina an-tsehatra akory. Tena natahotra ny Emmoreg ny mpitarika ny Afp ary tsy nanafina izany. Nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety mihitsy ingahy mpitarika fa “Ny hamaroan’ny mpitandro filaminana no tsy nahatongavany teny amin’ny kianjan’ny 13 mey”. Porofo io fa matahotra ny hosamborina ny tenany. Ekena fa ny mahery tsy maody tsy ela velona saingy kosa manimba tolona ny mpitarika kanosa toy izany. Mila olona sahy sy vonona hiatrika izay zava-mitranga rehetra ny fitarihana hetsi-bahoaka raha tiana hahomby. Raha mitady, ohatra, amin’izany olona sahy izany dia mila jerena ny nataon-dRavalomanana nanongana an-dRatsiraka izay nalaza ho tsy mitsitsy ary tsy azo hivazivaziana. Tsy azo hadinoina ny nataon-dRajoelina izay nahavita nanongana an-dRavalomanana izay tena teo amin’ny heriny tanteraka ary nilaza mihitsy fa “Asaivo tsapainy aloha ny heriny”. Toy izany ihany koa ireo mpitarika fikambanan’ny mpianatra eny Ankatso toa an-dry Berija sy Jean Pierre. Ity farany dia tsy mba niafinafina tany am-badik’ireo mpianatra notarihiny na nitsoaka nandositra vao raikitra ny fisamborana fa nijoro tanam-polo niatrika ireo mpitandro filaminana marobe nirongo fiadiana izay nanao tamba-be ny nidaroka azy. Fihemorana be ho an’ny fanoherana eto Madagasikara iny nitranga teny Analakely ny faran’ny herinandro teo iny raha tsy mahita fomba hanarenana izany haingana ny mpitarika ny Afp. Nantenain’ny maro ho fanainga hampitsiry ny afom-pitiavan-tanindrazana mantsy kinanjo vao mainka nampilofika ny herimpon’ny rehetra. Ho sarotra ho an’izay fikambanana hafa mitaky ny fahalalahana eto Madagasikara ny hanainga vahoaka haneho hevitra an-dalam-be taorian’iny hetsika tsy tontosa ny zoma sy sabotsy lasa teo iny. Tsy mora ny handresy lahatra ny vahoaka izay nahatsapa-tena ho voafitaka. Aleon’ny olona ihany mihafy amin’ny fahantrana sy ny tsy an-drariny rehetra toy izay hiantehitra amin’ny fihetsiketsehana tsy matotra. Na izany aza dia efa hafatra goavana ho an’ny mpitondra ny zava-nitranga teny Analakely tamin’ny zoma lasa teo iny. Manaporofo ny fanambarana sesehena fanohanana ny hetsika sy ireo olona tonga betsaka teny an-toerana fa misy maharary ny vahoaka eto amin’ny firenena ka mila tsaboina. Manana ny fomba fijeriny sy ny laharam-pahamehana ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny fitondrana nefa kosa mila mihaino ihany ny hetahetam-bahoaka. Herim-po sy ezaka very maina ihany mantsy izay asa ataon’ny mpitondra eo raha tsy mifanandrify akory amin’ny filan’ny malagasy!
Ravalo tsy Manana