Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Ambanja – Mpiambina taloha no namaky ny trano

Teo amin’ny varavarankely ireo jiolahy no niditra ary nanaram-po nibata izay zakany tao an-trano. Ireo entana tsaratsara sy lafo vidy toy ny solosaina, fahitalavitra fisaka, telefaonina, lektera no lasan-dry zalahy tamin’izany. Nisy ihany koa lelavola 4 hetsy ariary nobedain’ireo mpamaky trano. Tany Ankatafahely no nisehoan’io hala-botry io ary ny mpiambina tanàna efa noroahina ihany no ahiahian’ny tompon-trano ho nahavanon-doza. Izy io mantsy no mahafantatra tsara ny fandaharam-potoanan’ny tompon-trano sy ny entana ary ny hidin-trano. Matetim-pitranga ny toy izao ary matetika dia ireo nokaramaina hiambina sy hiaro indray no mahavanon-doza mivadika ho lasa jiolahy mpanafika. Hita ihany koa tato ho ato fa mirongatra be ny halabotry, indrindra amin’izao fotoanan’ny fampidirana mpianatra izao. Ireo entana mora amidy ka havadika vola haingana toy ny ordinatera sy fahitalavitra ary telefaonina sy lektera no tena batain’ireo jiolahy. Ankoatra ny fahasimban’ny toe-tsaina dia taratry ny fahantrana ny fisian’ny halatra toy izao. Tsy mahatanty ny fahoriana ireo marivo salosana ka mitetika ny hahazo vola amin’ny fomba tsotra ary lasa mangalatra.

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre