Ikongo – Mpamaky fasana matin’ny fitsaram-vahoaka
Ela nitoratorahana ka nahavoa voamason’angatra, ara-bakiteny. Matin’ny tompom-pasana ny mpangalatra taolam-paty tany Amparimbelo Ikongo. Ny 17 aogositra teo no nitrangan’izany fitsaram-bahoaka izany. Araka ny tatitry ny zandary dia olona roalahy no tratra nitondra taolam-paty 3 gony. Avy hatrany dia natolotra ny zandary izay nanao ny fisafoana teny an-toerana izy ireo. Rehefa nahare ny zava-nitranga anefa ny tompom-pasana dia nentin-katezerana ka tonga tany amin’ny biraon’ny zandary nitaky ny hamoahana ireo mpamaky fasana mba hovonoina. Olona miisa 200 no tonga tao amin’ny biraon’ny zandary, izay saika hamaky ny biraon’ny zandary. Teo anatrehan’izany, nanao tifi-danitra ny mpitandro filaminana mba hanaparitahana ireo fokonolona. Tsy nanaiky nolembenana anefa ny vahoaka fa vao mainka nirohotra ary namaly tamin’ny tora-bato. Ho fisorohana ny fifandonana dia navoaka tany ambadiky ny trano ireo roalahy mpamaky fasana mba hoentina handositra nefa mbola tratran’ireo vahoaka ihany. Raikitra ny daroka sy ny fitsaram-bahoaka ka maty tamin’izany ny jiolahy iray. Ny iray kosa tongan’ireo zandary tany Manakara ihany ary efa nanaovana famotorana. Nampiseho ity tranga ity fa efa tena tofoka tanteraka amin’ny halatra taolam-paty ny vahoaka ary tsy matoky ny manam-pahefana intsony. Efa maro ihany mantsy izay mpamaky fasana sy mpibizina taolam-paty izay nefa tsy hita izay tena vokatry ny fanadihadiana azy ireny.
Dom