Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Halatr’omby – Aripaky ny fokonolona ny dahalo

Ataon’ny fokonolona mahita faisana mihitsy ny dahalo avy manao fanafihana any amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Miafara amin’ny fifandonana hatrany mantsy ny fanarahan-dia ka tsy maintsy misy dahalo maty na maratra mafy. Amin’ny ankapobeny ihany koa dia tafaverina avokoa ireo omby nangalarina. Tany Tsitampiky Ambato Boeny izao dia dahalo 3 no lavon’ny fokonolona rehefa raikitra ny fifandonana. Tafaverina avokoa ny omby nalain’izy ireo. Tany Ampahibe Tsiroanomandidy kosa indray dia malaso 1 no matin’ny mpanara-dia. Miisa 20 ireo jiolahy no nanafika tao an-tanàna tamin’io ka omby miisa 140 no lasan’izy ireo. Tsy nanaiky nolemebenana ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana fa nanao ny fanenjehana ka raikitra ny fifandonana ny harivan’ny nisehoan’ilay fanafihana. Lavo ny dahalo iray ary nisy namany vitsivitsy hafa naratra mafy saingy nentin’ny namany nandositra.

Mbola mitohy ny fanenjehana fa ny zavatra tsikaritra dia tsy mahaleo ny tamba-ben’ny vahoaka ampian’ny zandary tosika mihitsy ny dahalo. Efa maro ny faritra tsara rafitra amin’ny fitandroana filaminana sy fiarovan-tena, izay sady manana paikady matotra entina hiatrehana ny asan-dahalo ihany koa ireo mponina sy ny mpitandro filamanina.

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre