Betafo – Fivarotan-kena 8 may tanteraka
Natelin’ny afo tao anatin’ny fotoana fohy ny fivarotan-kena miisa 8 tany Betafo. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia trano fivarotana iray no niandohan’ny firehetana. Tsy voafehy izany ka nihitatra tamin’ireo fivarotana hafa miisa 7 teo akaiky teo. Nisy magazay iray hafa ihany koa nirehitra tamin’io loza io ka somary avoavo ihany ny tetibidin’ny zavatra simba raha atontaly. Na dia nanao izay ho afany aza ny fokonolona dia tsy nahavita zavatra firy. Nisy ihany ny fiantsoana mpamono afo avy any Atsirabe saingy tsy tonga mihitsy izy ireo. Tena mahagaga ny fihanaky ny dorotrano rehefa maintany toy izao. Misy ireo tena fanahy iniana, nefa ao ihany koa koa ireo vokatry ny tsy fitandremana. Ho an’ny an-tanàn-dehibe dia ny fifampikasohan’ny tariby mpitondra herinaratra na ihany koa ny gazy tsy voahidy no mahatonga ny fipoahana miteraka haintrano. Eny ambanivohitra sy eny amin’ny faritra ipetrahan’ny olona sahirana kosa dia afom-patana tsy voafehy sy jiro labozia na solotany tsy voara-maso no mahatonga ny haintrano. Miala maina hatrany ireo lasibatra satria na dia fantatra aza dia tsy manan-kanoloana ireo rangory fototry ny afo.
Dom