Politika avokoa ny zavatra rehetra !
Na inona na inona zavatra tsy mety nefa mitranga eto Madagasikara dia misy mampifandray amin’ny resaka politika avokoa. Toa mahazatra ny mandre ireny. Rehefa tena dinihina dia mitombina ihany. Tato ho ato izao dia nirongatra be ny firehan-kevitra fankahalana frantsay. Misy vondron’olona mihitsy mivoy io ary ny fandavana ny fandraisan’i Madagasikara ny fivoriana an-tampon’ny frankofonia no entina hatao fitaovana ho amin’izany. Mivoaka avokoa ny hoe tsy ilaina ny fitenin’ny mpanjanatany, tsy mila frantsay isika, sns… Misy mihitsy aza milaza fa tokony haverina amin’ny teny malagasy ny fampianarana. Toa hadinon’izy ireo fa efa nanao izany mihitsy ny fitondrana Didier Ratsiraka tamin’ny andron’ny Repoblika faharoa saingy tsy nahomby ary vao mainka nanimba tanteraka ny faripahaizan’ny mpianatra malagasy izany. Misy ihany koa dia tena mivoy tsotra izao ny fankahalana frantsay ary mahavita mandranitra ny vahoaka mihitsy mba hitroatra manoloana ny vahiny. Mety ho fisehon’ny fitiavan-tanindrazana izany nefa ihany koa mila atao am-piheverena sao hiteraka zava-doza hafa tsy neritreretina. Mahagaga mantsy fa ao anatin’izao vanim-potoana misy mivoy ny fankahalana frantsay izao mihitsy no mipoitra ny herisetra amin’ireo vahiny ireo. Tao anatin’ny tapa-bolana monja dia tanora frantsay miisa 3 no nisy namono teto Madagasikara. Voalohany amin’izany ilay tovolahikely karana vao 19 taona monja maty notifirina tao anaty fiarany teny Besarety. Faharoa kosa dia ireo mpifankatia frantsay nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana tany amin’ny nosy Sainte Marie. Mety ho asan-jiolahy tsotra sy fifanandrifian-javatra fotsiny ireny rehetra ireny nefa dia mahagaga fa misy malagasy faly sy mibitaka. Misy mihitsy sahy miteny amin’ny tambajotram-pifandraisana fa “aleo ho faty” sy ny hoe mbola “aiza ny hanjo an’ireny”. Tsy toetran’ny malagasy anefa izany faly amin’ny fahorian’ny sasany sy miady mandatsa amam-paty izany saingy ny fivoizana be loatra ny fankahalana ara-politika no tena mahatonga ny olona hiova toetra. Noho ny resaka politika dia lasa lian-drà sy faly amin’ny fahafatesan’ny hafa ny malagasy.
Mbola voatsabaky ny resaka politika ary tena miditra lalina amin’ny raharaham-pirenena ihany koa ny fiangonana. Iaraha-mahita ny fikambanamben’ny eveka katolika fa tsy mitsahatra mitsikera sy manaratsy ny fitondram-panjakana mijoro. Tena marina sy tsy misy hiadian-kevitra ny votoatin’ny fanambarana rehetra navoakan’izy ireny nefa kosa rehefa dinihina dia saika mifantoka betsaka amin’ny resaka politika fa tsy mijanona amin’ny finoana. Manoloana izany rehetra izany anefa dia tsy mipetra-potsiny ny fitondram-panjakana fa miezaka mitodika any amin’ny fiangonana Fjkm. Zava-dehibe ho an’ny mpitondra mihitsy ny synoda lehibe nataon’ny Fjkm tany Antsirabe, izay nifidianana ny birao maharitra vaovao. In-droa, tao anatin’ny herinandro latsaka, ny Filoham-pirenena no nidina tany Antsirabe ary nifandray akaiky tamin’ireo mpinon’ny Fjkm mivory any. Tsy fantatra na nanome toromarika amin’izay hofidiana ho filoha’ny Fjkm ny filoham-pirenena na ihany koa nanao pi-maso fotsiny amin’ireo mpifidy. Mampiseho ireo rehetra ireo fa efa tena tafiditra amin’ny resaka politika ny fiangonana maro ary tsy manafina izany na ny mpitondra fanjakana na ny mpitarika fiangonana.
Manoloana izany rehetra izany dia mahagaga fa toa mifitsaka sy tsy re feo ireo tena mpanao politika. Ireo tia andrankandrana sy te hisehoseho fotsiny toy ny Antso ho an’ny fanavotam-pirenena sy ny dinika ho an’ny fanavotam-pirenena sisa no sahy mijoro amin’ny fanehoan-kevitra nefa toa lasa manalabaraka ny resaka politika indray izy ireo. Tsy matotra hoy ny maro satria miantso vahoaka sy be vava nefa tsy sahy mipoitra akory rehefa tena raikitra ny fidinana an-dalam-be.
Ravalo tsy Manana