Mpandraharaha very 30 tapitrisa Ariary – Ny sakaizany ihany no atidohan’ny fanafihana
Ny namany ihany no namadika azy ary naniraka jiolahy hanafika. Tany Bemarivo Mampikony no nitrangan’io raharaha io ka very vola 30 tapitrisa Ariary ilay lehilahy. Olon-dratsy miisa 5 no nanafika azy ary tsy vitan’ny nandroba fa mbola nidaroka ihany koa. Naaratra mafy ary tapa-tanana sy tongotra ilay lasibatra ka voatery naiditra hopitaly mihitsy. Taorian’ny fanadihadian’ny zandary dia fantatra fa ny sakaizan’ilay mpandraharaha ihany no atidoha nikotrika ity fandrobana ity. Efa voasambotra io mpitsikombakomba io ary notanan’ny mpitandro filaminana mba hatao famotorana. Tsy afa-niala izy satria nisy ny porofo maro nahafahana nitazona azy. Mety ny fahitana ilay volabe no nahatonga ilay sakaizany nanana izany teti-dratsy izany ka nifampiraharaha tamin’ny jiolahy mpanafika. Tena naleony mihitsy very tsikalakalam-pihavanana toy izay hampangina ny fitsiriritana sy fialonana tao aminy. Araka ny hita kosa dia mirongatra be ny fanafihana hakana vola na volamena any amin’iny faritanin’i Mahajanga iny. Ny fisian’ny bizina any ambadika any no tena mampirongatra izany hoy ny tompon’andraikitra. Ireo mpivarotra sy mpividy ary ny mpiray ombonantoka amin’ izy ireo ihany mantsy matetika no mifanafika.
Dom

Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40
Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana
Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky. Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny