Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Ny miezaka ihany no enjehina

Nanaitra ny rehetra ary tsy nisy nanam-po mihitsy ny fisian’ireo omby nirifatra tao afovoan-tanàna ny talata lasa teo. Tonga hatreny Analakely sy Soarano  ireo biby ireo ary nandratra vehivavy iray sy nanimba fiarakaretsaka iray. Tena loza ho an’ny fiarahamonina mihitsy ireo omby nirifatra ireo nefa tsy nisy ny fandraisan’andraikitra avy amin’ny kaominina na kely aza. Nihoraka sy nandositra izay rehetra nahita ireo omby ary nanontany tena ihany koa hoe aiza ny mpiasan’ny kaominina. Tena asa aman’andraikitry ny kaominina mihitsy ny manao izay fomba rehetra hanesorana ireny biby mampidi-doza ireny eto an-tanàna ary misy sampan-draharaha maro tokony hisahana izany. Voalohany amin’ireny ny mpamonjy voina eny Tsaralànlana ary faharoa kosa ireo polisy kaominaly. Teo Analakely anefa ny omby no nirifatra fa tsy nisy hita ireo mpiasan’ny kaominina ireo. Mazava ho azy fa sady nahare ny zava-nisy ny mpamonjy voina sy ny be sandry ao amin’ny polisy kaominaly sy polisin’ny tsena ary tao an-toerana ihany saingy inoana fa tsy nahazo baiko matoa tsy nihetsika. Mahalasa saina ny zava-misy satria rehefa hanenjika mpivarotra na hanasazy mpitondra fiara ny kaominina dia tena faran’izay mailaka ary tsy tra-pimaso araka ny fomba fiteny ny fandraisan’izy ireo andraikitra. Rehefa hiaro ny vahoaka sy ny fananany anefa tsy hita popoka. Marihina anefa ary tsiahivina fa tena andraikitry ny polisy kaominaly mihitsy ny miaro ny vahoaka sy ny fananany. Na dia polisy tsy tena izy aza izy ireo dia manana adidy hanao izany asa izany ao anatin’ny kaominina iadidiany.

Ny eto an-drenivohitra anefa, toa lasa mpanasazy sy mpanao ramatahora fotsiny ireo polisy kaominaly ireo fa tsy hita izay tena ilaina azy. Tsy ry zareo akory sanatria no manao antsirambina ny asany fa kosa ny mpitantana ny tanàna izay tokony haniraka no tsy te hahalala izay maharary ny vahoaka. Izay miezaka ihany eto an-drenivohitra no anaovana didin’ny be sandry. Roahina ny mpivarotra izay efa nahaloa ara-dalàna sy ara-potoana ny vola rehetra notakian’ny kaominina, enjehina ny mpitondra fiarakaretsaka, raofina ny fiarakodian’olona mijanona eny amin’ny sisin-dalana. Tsy hay intsony izay tena asa fampandrosoana tiana hapetraka eto amin’ity renivohitra ity.

Mipetraka ny fanontaniana hoe mba fotodrafitrasa ara-tsosialy firy tokoa moa izany no vitan’ny ben’ny tanàna sy ny ekipany hatramin’izay nitantanan’izy ireo ny tanàna izay? Firy metatra izay ny halavan’ny lalan-kely sy lakan-drano namboarina ary tsy misy atahorana intsony rehefa tonga ny fotoanan’ny orana? Miisa firy ny toeram-pitsaboana sy ny toeram-pidiovana natsangan’ny ben’ny tanàna sy ny ekipany? Firy tamin’ireo sekoly fanabeazana fototra izay ny kaominina no mitantana azy no efa mba nasiana fanavaozana? Ary ireo tsenam-pokontany ve mba efa namboarina hanara-penitra? Aiza ho aiza ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana?

Izany no atao hoe asa fampandrosoana fa tsy ny fanaovana didy jadona sy fanagejana ny vahoaka madinika akory. Ny fanadiovana ny tanàna dia miainga amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina sy ny fananganana fotodrafitrasa vaovao fa tsy fanilikilihana ireo heverina fa manelingelina ary ny fitangosana vola avy amin’ny vahoaka madinika hamenoana ny kitapombolan’ny kaominina.

Tsy tsikera ireo rehetra ireo fa fampatsihivana ny zava-misy eto amin’ity renivohitra ity. Samy tompon’Antananarivo renivohitra avokoa mantsy ny vahoaka rehetra monina eto ary samy saro-piaro amin’ny tanàna ka tsy hijery fotsiny na hinia mikipy manoloana ny tsy mety sy ny tsy an-drariny. Tsy tokony hadinon’ny mpitantana ny kaominina fa raharaham-bahoaka no iandraiketan’izy ireo fa tsy orinasa tsy miankina sanatria ka hatao izay sitrapo sy metimety amin’ny tompon’andraikitra lehibe. Hatreto aloha dia tsy hita mihitsy izay fampandrosoana ny renivohitra fa ny sazy sy ny fibedesana ary ny fanilikilihana no tena manavanana ny mpitantana.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre