Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Behenjy – Mpitondra bisikileta matin’ny fiara

Maty tsy tra-drano ilay mpitaingina bisikileta nidona tamin’ny fiara tany Behenjy. Araka ny fantatra dia tapaka hisatra ilay kodiarandroa ka tsy voafehin’ilay nitaingina azy intsony. Nidona tamin’ny fiara mpitatitra izy io ka izao niafara tamin’ny fahafatesana izao. Efa mandray an-tanana ny famotorana sy ny fanadihadiana ny zava-misy marina ny mpitandro filaminana. Efa tsy faheno firy intsony mantsy ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny bisikileta tapaka hisatra. Matetika dia ny fakana afovoany loatra eny amin’ny lalana no mahavoadoana azy ireny. Maro rahateo ny mpamily fiara no tsy dia miraika firy amin’ny ain’ny mpitaingina bisikileta sy môtô fa manararaotra ny atody tsy miady amam-bato fotsiny ka tsy mandefitra mihtsy na dia hita izao aza fa mety hiteraka loza izany. Tsy mora anefa izany mahafaty olona izany na iza diso na iza marina ka mila mitandrina hatrany. Efa nisy rahateo didy nivoaka fa zay mpitondra fiara mahafaty olona dia tsy maintsy miakatra fitsarana.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre