Miandrivazo – Tovolahy 1 200 hiady amin’ny dahalo
Tovolahy miisa 1200 no nanolo-tena hiady amin’ny asan-dahalo any Miandrivazo. Resy lahatra tamin’ny fanazavana nentin’ny tompon’andraiki-panjakana izy ireo ary vonona ny hanome ny heriny ho fampanjakana ny fandriam-pahalemana. Hisy noho izany ny fidinana ifotony hanaraha-maso ny omby ka tompon’andraiki-panjakana no hitarika izany. Hifantoka amin’ny fanamarinana ny bokin’omby sy ny fanomezan-tanana ny zandary ny andraikitr’ireto tanora ireto, raha sanatria misy ny fifandonana. Hita tokoa mantsy fa tena mahomby ny fandraiasan’ny vatan-dehilahy andraikitra amin’ny famerenanana ny fandriam-pahalemana amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Saika tafaverina avokoa ireo omby lasan’ny jiolahy rehefa manampy ny zandary amin’ny fanarahan-dia ny vahoaka mivondrona amin’ny dinabe sy ny kalaony. Tsy vitan’izany fa efa miray hina ny avy amin’ny tanàna manodidina ka mifampiantso fotsiny rehefa misy ny halatr’omby. Efa lasa fomba fanao tena mahomby mihitsy ny fampandrenesana ny mponina amin’ny lalana hizoran’ny dahalo mba hanaovana sakana. Hita fa efa tena leo ny asan-dahalo ny vahoaka ka niandry fotsiny ny fandaminana avy amin’ny tompon’andraikitra mba handray an-tanana ny fiarovan-tena. Misy stratejia sy lalàna tsy maintsy harahina anefa izany sao sanatria ka mivaona amin’ny fanaparam-pahefana sy ny tsy an-drariny indray avy eo.
Dom