Ankazobe – Nitsoaka fotsiny ireo mpanakan-dalana
Tsy sahy nandroba fa nanao tari-dositra ireo mpanakan-dalana tany Ankazobe. Efa nofenoin’izy ireo vatobe sy hazo anefa ny lalana ka tsy nisy fiara afaka nandeha fa tsy maintsy nijanona avokoa. Dimy lahy nitondra basy ireo jiolahy saingy maro loatra ny fiara niara-nigadona teo amin’ilay sakana ka tsy sahy nanafika ry zalahy. Nanao tari-dositra tany anaty ala fotsiny ireo jiolahy no sady nanapoaka basy mba tsy hisy hanaraka. Rehefa nampandrenesina ny zandary dia tonga mba ho haingana ary nanala ireo sakana. Taorian’izay dia nasiana mpitandro filaminana manaraka ireo fiara mandalo ary nametrahana zandary hafa koa teny amin’ny manodidina mba hiandry ny mety hiverenan’ireo olon-dratsy. Efa nanao hetsika goavana hisorohana ny tsy fandriam-pahalemana amin’iny lalam-pirenena mandalo an’Ankazobe iny ny zandary hatramin’ny fiandohan’ity volana ity. Nahafahana nisoroka loza maro sy fanafihana mitam-piadiana ary asan-dahalo sy fanakanan-dalana izany. Inoana fa fantatr’ireo jioalhy tsara fa efa eny amin’ny manodidina eny ny mpitandro filaminana mato aizy ireo tsy sahy ireo fiara marobe voasakana.
Dom