Omby nirifatra – Tonga teny Ampandrana indray
Sahotaka be teny amin’ny manodidina ny biraon’ny boriboritany fahatelo omaly tolakandro noho ny fisian’ny omby nirifatra. Nandalo an’Antaninandro, nidina an’Andravoahangy fivavahana ry nitsororika nankany Ampandrana ilay omby be. Menavolo izy io ary tafatsofoka tany an-tokontanin’olona nefa betsaka ankizy nilalao teo amin’ny manodidina. Nisy nanenjika ihany ilay omby ka rehefa tafiditra ny tokontany dia nohidiana ny vavahady mba hisamborana azy. Nandravarava tao anefa ilay omby masika ary tsy voafehy mihitsy ka tafavoaka ihany. Nirifatra nihazo ny Rasalama indray ilay biby be avy eo ary nandalo an’iny Bel air hatreny Ankadivato iny. Araka ny fantatra dia iray tarika tamin’ireo omby nandositra avy eny Ankadindratombo ny talata lasa teo ity nandrava laka teny Ampandrana ity. Ny nahagaga ny mponina fotsiny dia ny tsy fahitana tompon’andraikitra mba nanampy sy nanao ny asany mba hanampiana ireo andian-jatovo nisambotra ilay omby. Toy ny tany tsy misy polisy na mpamonjy voina eto Antananrivo renivohitra fa dia miankina amin’ny fandraisan’andraikitry ny olon-tsotra ny fiarovana ny vahoaka manoloana ny loza manambana toy ny omby sy adala mirifatra manerana ny tanàna.
Dom