Mianara hanao ny tsara Isaia 1 :17
Ny fanaovana ny tsara dia maneho ny maha olom-banona, mitory fahendrena, fijoroana amin’ny maha olon’Andriamanitra, iainan’ny olona manan-tsaina, fanehoana ny fahamarinana. Betsaka ny fitarainana etsy sy eroa, manahirana ny trangan-javatra misy isan’andro. Rahoviana isika no hiaina fahatoniana manoloana ny zava-tsarotra tsy ahitana fanàfany.Toa mifanenjika sy mifanaratsy ary mifamaly faty hatrany no atao .
Mandray anjara amin’ny tantara isika
Ny tsy fanaovan’ny olona ny tsara intsony no fototry ny olana. Nahita an-dRabe nanao ratsy Rakoto dia nisafidy hanova ny tsara fanaony ka naka tahaka ny fanaon-dRabe. Izany hono no tsara izao. Olana ihany koa ny familiana ny atao hoe tsara kanefa vao maika mampitombo ny fahavoazana izany. Dinihonao kely ange izany e!
Tsy mintsy mandray anjara amin’ny tantaran’ny fiainam-pirenentsika, isika Malagasy raha mbola velona koa izaho sy hianao ; tompon’andraikitra amin’izay iafaran’ny fiainantsika ihany koa: na mpitondra firenena hianao, na mpitondra fiangonana, na mpiasam-panjakana, na mpamily fiarakaretsaka, na tompona orinasa, na mpianatra, na mpivarotra anana, na ankizy na lehibe… Mpandray anjara ho amin’ny tsara ve isika sa amin’ny fanimbana hatrany?
Sarotra ve ny manao ny tsara?
Na iza na iza hianao te ho olo-marina dia misy tsara hatrany am-boalohany mampianatra anao ho vanona, misy tsara tokony horaisina manome fahendrena, misy ny lalana tsara sy fomba tsara atoron’ny Soratra Masina ho an’ny mpivavaka rehetra, ary ny fahamarinana dia ny tsy fisarahana amin’ny tsara. Noho izany, andeha hiverenana amin’izay ny tena atao hoe tsara, marina, izay ankasitrahan’Andriamanitra. Izany no mitondra fiadanana.
Mora ny manao ny tsara noho ny manao ratsy. Samy ilàna fahasahiana ny manao azy nefa ny vokatry ny tsara dia fitahiana sy fiadanana. Ny vokatry ny ratsy kosa dia tahotra sy fahasimbana. Tsarovy fa nantsoina ho amin’ny fiadanana ny olona rehetra. Fomba fisainana mizatra manao ny tsara no ilaina ary fiezahana mianatra miaina izany.
Ny teny aloaky ny vava
Afaka miala amin’ireto fahazarana miteny ratsy sy tsy mendrika ireto isika:
Fifosana olona, mivazavaza lava, tia miady sy mifamaly, kizitina, manompa, manozona, tia manala baraka olona, mitabataba sy vazavaza raha misy olana, mila ady, mandranitra ady, mitsabaka amin’izay tsy raharahan’ny tena, manambany sy manevateva olona, mipetsapetsana, mahay vava, tsy mahay mangina ..
Raha afaka ireo fahazaran-dratsy ireo dia misy dikany kokoa ny fivoriana isan-karazany ary mahomby kokoa ny fiheveran-draharaha isan-tokony. Misy hajany kokoa ny olona miteny.
Tsara ihany koa ny mahay mihazona tsiambaratelo ary manefa izay zavatra nolazaina. Anisan’ny zavatra mahafinaritra tokony ho hita eo amin’ny fifandraisana ny fahaizana manao teny mankasitraka, misaotra, midera ny tsara hita eo amin’ny olona iray satria tena misy izany ary tokony hahita izany ny tsirairay na dia mety manana toetra ratsy aza ilay olona.
Ny fifehezana hatezerana
Eo amin’ny fomba fanehoana hatezerana no amantarana ny fahamatorana ananan’ny olona sy ny toe-panahiny. Afaka maneho hatezerana ary tokony hamoaka izany raha misy raha toa ka fomba mahery setra anefa no anaovana azy dia tsy mahomby. Noho izany, azo ianarana ny fomba salama. Tsy tokony hipoaka be na mandratra amin’ny fomba fiteny sy fihetsika na amin’ny alalan’ny fitaovana entina handratrana. Tsy tokony hanimba zavatra na hitroatroatra.
Afaka maneho ny tsy fahafaham-po sy ny alahelo ary maneho ny faniriana fiovana amin’ny fanaovana teny milamina. Ampiana ny olona hiova fa tsy terena. Raha manery ny hafa hiova isika dia izay no mitarika haromotana ho anao sy hasiahana ho an’ny hafa.
Tsy voatery ho tezitra lava isaka ny misy zavatra tsy mahafa-po. Afaka mitaiza tena hanana fomba tony.
Ny fanaovan-tsoa
Aza ny mahasoa anao ihany no atao fa hevero koa izay mahatsara ny hafa. Ialao ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-bola fa ireo no mibahana tsy ahafahana mihevitra ny manodidina. Fitahiana ho an’ny olona ny fanaovan-tsoa. Hamaly soa anao koa Andriamanitra raha tia manao soa hianao. Tsy mbola nisy olo-marina ka nafoiny. Ilàna fitiavana ny fanaovan-tsoa satria mila fahafoizana kanefa mila fahazarana ihany koa.
Matetika anefa ny fanaovan-tsoa dia atao ho filan-dera ka anindrahindrana ny tena, na koa ho fitadiavana tombotsoa manokana, na isehosehoana eo anatrehan’ny hafa, na anararaotana ny olona mihitsy. Tsy vokatry ny fitiavana ireny fa anehoana hafetsena ka mifono fihatsaram-belatsihy.
Ny fankatoavana ny lalàna
Fanaovan-tsoa ny fankatoavana lalàna. Fehezin’ny lalàna ao anaty fiarahamonina sy ny firenena ny olona rehetra. Ny olo-marina sy ny olona tsara dia finaritra miaina izany, fa ny olona te hanao ratsy sy tsy mora entina dia manohitra mandrakariva ny fifehezana sy ny lamina. Manana olana eo amin’ny fiarahamonina ny olona tsy tan-dalàna. Sarotra ny mitondra raha tsy manana finiavana ho mora alahatra ny olona. Tsy hilamina ihany koa ny fiarahamonina raha samy hanao izay saim-patany ny tsirairay avy.
Misy tsy faly amin’ny fisian’ny Polisy mandamina fifamivoizana. Ho feno korontana sy ady ary fifanjevoana anefa eny amin’ny arabe raha tsy eo izy ireny. Raha vao manohitra ny fifehezana ataon’ny ray aman-dreny mihitsy koa ny zanaka dia hitondra fahoriana.
Ny fahadiovana
Ny tany andalam-pandrosoana dia hita fa maloto. Tsy lahatra anefa izany fa toe-tsaina fotsiny ihany. Mety tsy hisy vola nefa mety ho mahihitra tsy hividy savony sy hividy rano ihany koa. Tena misy koa anefa ny hakamoana tsy te hanao madio, azo lazaina fa tsy fitiavana madio mihitsy aza. Satria tsy ilaina izany madio izany ho an’ny mahantra hoy ny sasany. Haloto ihany io hoy ny sasany koa maninona no diovina?
Madio sy masina Andriamanitra ka tokony ho tia madio ny olona mpivavaka. Raha izany no tanteraka dia ho firenena madio i Madagasikara, manomboka eto Antananarivo. Tsy izany anefa no misy fa feno loto eny rehetra eny : ny zavatra amidy, ny toerana ivarotana, ny olona mivarotra, ny tontolo manodidina. Tsy misaraka amin’ny fahadiovana ny filaminana. Tsy hanana ny madio sy milamina isika raha tsy misafidy ny ho tia izany ary manao ezaka hanana izany.
Ny fahamarinana
Ny toetra marina no resahana eto. Tsy maka ny an’olona fa mionona amin’izay an’ny tena. Tsy mialona ny hafa fa mankasitraka izay eo am-pelatanana. Tsy mialona ka te hanana foana ary manao izay hanangonana ny zavatry ny olona rehetra ho azy. Mahay resy fa tsy voatery handresy foana. Mety mba ho farany fa tsy voalohany foana. Raha tsy manaiky izany hianao eo amin’ny fiainana dia hitroatra lava ary tsy hitsahatra ho mpanakorontana.
Ny hafetsena, ny fisolokiana, ny halatra, ny kolikoly amin’ny fanambakana na ny fanararaotana fahefana dia zava-dratsy manimba ny fiarahamonina. Izay manao izany dia toa mahazo tombony raha jerena ety ivelany kanefa kikisan’ny ratsy ataony andro aman’alina ny ao anatiny ao. Na dia mamono eritreritra fatratra aza izy dia tsy maintsy hijinja izay nafafiny. Aleo mifehy tena manao ny marina.
.
Mila miova hianao
Ry olon’ny fiangonana ô! isika olom-pirenena rehetra, na ny kely na ny lehibe, manaiky hofehezin’Andriamanitra ve hianao, misy fitiavana ny mpiara-belona aminao ve hianao? Ndeha hianatra hanao ny tsara. Avelao ny fanenjehana ny sy fanaratsiana ny hafa. Miantsoa an’i Jesoa hamonjy anao.
“…na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha te-ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany… ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.” Filipiana 4:8,9