Haintrano tao Port-Bergé – May hatramin’ny vedety roa !
Loza iray ! Loza roa ! Fa ity vao tena loza ! Loza tena nahavalalanina ny iray distrika mihitsy. Nitrangana haintrano mantsy tany amin’ny tananan’Antobimbazaha, fokontany sy kaominina Tsinjomitondraka, distrikan’i Port-Bergé any amin’ny faritry Sofia any, ny sabotsy faha-27 aogositra lasa teo. Mitatao vovonana ny andro tamin’izay ary tena nidedaka tsy nisy ohatra izany ny afo tao amin’ny tokantrano iray. Jiro kapoaka nahazo entana, irony paravent irony, no niatombohan’ny atambo ary haingana dia haingana dia nahazo ny trano iray manontolo. Mbola toraka izay ihany koa no niampitany ka may avokoa ny tranon’ingahy sefo fokontany, antsoina hoe Basile Gaston sy ny tranon’ny ramose Rabezaka sy ingahy Clarion. Raha atotaly ny isan’ny trano may dia 9 be izao ary nivadika lavenona avokoa ireo entana rehetra tao anatin’ireo trano rehetra voalaza etsy ambony ireo, na fitaovana elektronika izany, na fanaka sy farafara, na ihany koa ny kojakoja an-dakozia sy ny sakafo rehetra. Fa ny nahagaga ny maro dia ny fahalalana fa nisy vedety miisa roa ihany koa tao anatin’ireo fitaovana sy entana may rehetra ireo. Hay tokoa moa matory an-trano ity karazana fitaovam-pifamoivoizana miasa betsaka any amin’ity faritry Sofia ity, indrindra amin’izao fotoanan’ny maintany izao. Ny tany rahateo tsy milamina ka vetivety ireny vedety ireny dia mivadika vola raha sendra eo an-tanan’ny olon-dratsy. Noho io fahamailoana io tokoa no nahatonga an’ireo tompony nametraka azy an-trano kanefa moa tamin’ity indray mitoraka ity dia sendran’ny patsa iray tsy omby vava ka dia nafoy tanteraka izany fitaovana lehibe izany.
Betsaka araka izany ny fahavoazan’ny mponina ka nandray fepetra ny fokonolona nisambotra an’ingahy Odilon, tompon’ny trano niavian’ny loza ary nanolotra azy tamin’ny manam-pahefana sy ny zandary tany an-toerana. Nanokatra ny fanadihadiana hahafahana mitondra ny raharaha eo anivon’ny fitsarana ireto farany.
J.L.R

Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40
Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana
Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky. Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny