Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Fokonolona internet

Mbola adihevitra be tsy ahitam-bahaolana hatrany ny lalàna mahakasika ny sazy nofaritan’ny fitondram-panjakana ho an’ny olona mampiasa ny teknolojia avo lentan’ny fifandraisana ho fitaovana entina hanaovana heloka bevava. Vao tamin’iny herinandro iny izao no nahatratrarana ilay malagasy mpisoloky amin’ny alalan’ny fitakiana vola be tsy toko tsy forohana any amin’ireo kaompaniam-pitaterana eny amin’ny habakabaka vahiny. Fandrahonana mahakasika ny hanapoahana amin’ny baomba ireo fiaramanidina no ampiasainy amin’izany. Vetivety anefa dia tratra izy satria misy fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana sy mpanao fanadihadiana maneran-tany eto Madagasikara ary efa misy mpitandro filaminana manokana mahafehy ny ady amin’ny fampihorohoroana amin’ny alalan’ny internet io ihany koa eto.

Ohatra iray mampiseho ny mahazava-doza ny fanodinana ny internet sy ny fifandraisan-davitra mba ho lasa fitaovana hanaovan-dratsy iny nitranga iny fa efa marobe ireo nitondra faisana tamin’izany. Mateti-pitranga ary maro ny efa voa ny fangalarana kaonty sy adiresy mailaka ary facebook ka ampiasain’ireo piraty hangatahana vola sy hisolokiana na ihany koa hanalam-baraka fotsiny izao. Betsaka ihany koa eto Madagasikara ny olona misoloky amin’ireny vola alefa amin’ny finday ireny nefa vitsy ny fanadihadiana mikasika izany. Efa manao izay ho afany ihany ny sampan-draharaha misahana ny fanaraha-maso ny fifandraisan-davitra ary tsy mitsahatra  manentana ny polisy sy zandary amin’ny tsy maintsy hanamarinana ny mombamomba ny olona rehetra manana laharana finday nefa tsy kely lalana ny ratsy ary misy hatrany ny fisolokiana.

Tsy mahagaga izany rehetra izany satria zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina ihany no mitranga amin’ny alalan’ny endrika vaovao sy maoderina. « Fokonolona internet » no fiantson’ny tena manam-pahaizana sy nandalina ny fiarahamonina azy io. Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny tranoben’ny fampiasana internet sy ny fanatontoloana mantsy ny fiarahamonina malagasy ka miseho any anatin’izany ny tena zava-misy marina miafinafina any an-tokantrano sy isam-pianakaviana ary any anaty tanàna any. Ny facebook no tena maneho mazava ny « fokonolona internet » satria hita ao avokoa ny karazan’olona rehetra. Ny antitra sy ny tanora, ny mahantra sy ny manan-karena, ny avarapianarana sy ny zara raha mahay manoratra, ary ny vahoaka sy ny mpitondra Fanjakana. Ireny vondrona na pejy ireny no tena ahitana ny fifangaroan’io sokajin’olona maro io. Amin’ny ankapobeny dia ireo vondrona sy pejy lian’ady sy be « tatasika » araka ny fitenin’ny tanora no tena be mpikambana sy be mpanaraka. Tsy mivoy ny fifampitaizana na ihany koa firaisankina ho an’ny fampandrosoana ireny pejin’ny fokonolona ireny fa saika mirona amin’ny fifanakianana sy ny fifankahalana be fahatany fotsiny. Tsy mahagaga izany ary tena lojika satria mifangaro ao avokoa ny sokajin’olona rehetra. Any no tena ahitana ny toetran’ny tena fiarahamonina malagasy izay efa mikorosy fahana ankehitriny. Rehefa tena jerena mantsy dia tsy miankina amin’ny saranga fa toa mitovy avokoa ny toe-tsain’ny olona mpikambana amin’ireny vondrona sy pejin’ny fokonolona ireny. Mpanakihana, mpanaratsy, mpandranitra ary mpamboly korontana nefa tsy sahy akory fa miafina ao ambadiky ny telefaonina rehefa misy mitarika. Firifiry ny olona manao teny mihoatra, henjana, manenjika izao fitondram-panjakana izao eny ambony facebook nefa tsy misy hita rehefa misy mitarika hidina hanao hetsika eny an-dalam-be. Marobe ny olona maneho hevitra sy mitarika ny hafa tsy hankato ny lalàna sy hadalàna tsy am-piheverana ary mihevitra azy ho tsy manan-tsiny mihitsy. Ny tena loza dia te ho mpanao gazety avokoa ny vahoaka malagasy mampiasa facebook sy internet ka mifaninana sy mihazakazaka mandefa izay trangam-piarahamonina sendra hitany tetsy sy teroa. Tsy fantatr’izy ireny mantsy ny hasina sy ny andraikitr’ity asa ity izay mila fifehezana sy fahendrena mba hitondra vokany tsara ho an’ny firenena.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre