Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Zomban’i Beraketa – Tsy mbola hita ireo taolambalon’ny mpanjaka

Tsy mbola misy mangirana hatramin’izao ny vokatry ny fanadihadiana sy fikarohana mahakasika ny fanafihana ny zomban’i Beraketa tamin’ny fiandohan’ity volana ity. Efa nilaza fa handray an-tanana ny raharaha anefa ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny prefektioran’i Maintirano sy ny solontenam-paritry ny minisitry ny kolontsaina. Raha tsiahivina dia nisy namaky io zomba io tamin’ny 5 septambra lasa teo ka norobain’ireo jiolahy ny taolambalon’ny mpanjaka tao. Mpanjaka miisa 4 no milevina ao ka ny taolam-balon’ny 3 tamin’izy ireo no lasan’ireo olon-dratsy. Ankoatra izany dia nentin’ireo mpangalatra ihany koa ny fitaovana fampiasan’ny olona manao raharaha ao amin’ilay zomba. Efa sangy mihoatra ny loha no fandraisan’ny vahoaka ny toy izao satria tsy vitan’ny vaky fasana tsotra intsony fa efa maniratsira ny kolontsaina sy ny tantaram-pirenena mifototra amin’ny fanajana ny hasin’ny mpanjaka. Ny zomban’i Beraketa any Maintirano aloha no lasibatra tamin’iny fa ahiana ihany koa ny hitaran’izany amin’ny toerana hafa izay mirakitra ny taolambalon’ny mpanjaka any amin’ny faritra  hafa manerana ny Nosy. Hatreto rahateo dia tsy hita mazava izay valin’ny fanadihadiana tamin’ny fanotana fady ireo vakoka manan-danja toy ny nandoro ny rovan’i Manjakamiadana, ny rovan’Ambohidratrimo ary ny nahavery ilay satro-boninahitry ny mpanjakavavy tao Andafiavaratra.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre