Andovoranto – Trano 150 tafo no may
Vao herinandro lasa izay no nisiana haintrano nahatsiravina tao amin’ny tanànan’i Mahavelona Foulpointe izay nahakila firehitra ireo trano miisa 112 tafo ary nahitana traboina miisa 386. Ny andron’ny sabotsy 17 septambra lasa teo indray, dia tanàna iray manontolo ao Andovoranto Brickaville ihany koa no hotohoton’ny afo, izay any amin’ny faritra Atsinanana ihany koa. Tafakatra hatrany amin’ny trano miisa 150 tafo no indray may natelin’ny afo, ary tsy nisy entana avotra nandritra izany. Vokatr’izay dia olona 394 no traboina tsy manan-kialofana ka voatery napetraka amin’ny trano lehibe iray. Tsapa fa nanenika ny faritra maro manerana ny nosy no nandresena haintrano tamin’ity taona ity. Vokatry ny tsy fitandremana sa ny loza no efa ho avy. Mampalahelo ny tranga miseho satria efa toa mihatra amin’ny isam-baravarana ny fahasahiranana ankehitriny anefa mbola levona ao anatin’ny indray mipi-maso izay nohariana tao anatin’ny taona maro. Eo anatrehan’izany dia tena mila vonjy sy fanampiana ary indrindra fanomezan-tanana avy amin’ny fitondram-panjakana ny mponina mba hijery akaiky ny loza sy ny fahasahiranana manjo azy ireo. Manaitra ny maro tokoa ny loza raha vao mafana saingy rehefa mijanona elaela dia izay niharany sisa no miatrika. Koa miangavy mafy ny tompon’andraikitra mahefa eto amin’ny firenena ireo mponina mba hijery akaiky ny fanampiana amin’ny fanarenana, indrindra ihany koa miantso ireo malala-tanana mba hanampy akaiky amin’ izao voina mianjady amin’izy ireo izao.
ZOUZOUH Toamasina