Mirehitra ny firenena
Mivoaka afo ny tany raha tazanina avy eny ambony ary setroka tsy hifankahitana kosa no tsinjo avy lavitra manamorona ny lalam-pirenena rehetra amin’izao fotoana izao. Manomboka sahady ny doro tanety sy ny doro ala. Na ireo tendrombohitra manodidina an’Antananarivo renivohitra aza efa manomboka may avokoa ny bozaka sy kirihitr’ala kely sisa nanamborana. Fomba fanao izay tsy mbola hita izay nahatsara azy ny doro tanety nefa tsy hita ihany koa izay vahaolana aminy. Fahazaran-dratsy sy finiavana hisotasota miampy fitiavan-tena no tena mahatonga azy io hoy ireo misora-tena ho mpandinika ny fiarahamonina. Antony voalohany lazaina fa mahatonga ny doro tanety amin’ny vanim-potoana toy izao ny fiompiana omby amin’ny fomba nentim-paharazana. Doran’ny mpiandry omby ny bozaka efa maina mba ho may tanteraka ary hitsiry bozaka maitso vaovao mba ho sakafon’ny omby avy eo. Antony faharoa ihany koa ny tavy izay mifantoka betsaka amin’ny hakamoana hisoroka kirihitra ka dorana fotsiny izany dia lasa lavenona. Any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy dia lazain’ireo teratany fa ny mpiavy no tena mpandoro tanety. Mariky ny fahantrana sy ny fitombon’ny mponina io satria misy sokajin’olona voatery mifindra monina noho ny fitadiavana tany malemy hanorenam-pangady hahafahana mamboly sy miompy hamelomana ny fianakaviana. Doran’izy ireo izay faritra heveriny fa mety havadika ho tanimboly. Tsy voafehy anefa ny afo avy eo ka lasa manimba velaran-tany misy zavamaniry sy ala midadasika. Misy ihany koa milaza fa ny dahalo dia naisan’ny tena mpandoro tanety za-draharaha. Entin’izy ireo hamafana ny dian’omby sy ihany koa hanakanana ny mpanara-dia ny fandoroana ny ala. Ankoatra ireo anefa dia lazain’ny manam-pahaizana fa misy ifandrasainy amin’ny toe-draharaha politika hany koa ny doro tanety. Any ambanivohitra any dia fanehoana ny hatezeram-bahoaka amin’ny fomba fitantanana ny raharaham-pirenena ny fandoroana ny ala.
Maro, noho izany, ireo antony mahatonga ny doro tanety saingy tsy misy na iray aza manome rariny ny mpanao izany. Rehefa tena jerena dia adin’ny kanosa sy ny kamolahy ary ireo fanetriben’ny firenena ny fandorana ny ala. Ireo olona malain-kisasatra sy tsy sahy miseho mivantana milaza ny heviny no tena manao io heloka bevava io. Fohy fisainana sy tsy mahatsinjo lavitra mihoatra ny eo ambany masony ireny mpandoro tanety ireny ary tsy mahafantatra akory fa zava-doza ho an’ny firenena sy ny taranaka faramandimby ny fanimbana ny tontolo iainana. Tsy mahagaga raha ifandrombahan’ny vahiny angalarina i Madagasikara satria ny tompony aza tsy tia azy. Tsy mahavita miaro ary tsy manana ny fanoloran-tena hiaro ny firenena manoloana ny fanimbana ny tontolo iainana ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy. Ny fitondram-panjakana rahateo tsy manana tetikady matipaika tena hahafahana manao ny fiarovana. Ireo vahiny sy ny manam-pahaizana malagasy sasantsasany tia vola sy tia tena no mody miaro ny tontolo iainana mba hahazoan’izy ireo mivelona sy mahazo tombontsoa mihoa-pampana eo ambonin’ny fahantran’ny malagasy. Betsaka ihany izay vola fanampiana avy amin’ny sehatra tsy miankina sy iraisam-pirenena natao hiarovana ny tontolo iainana izay saingy tsy hita izay tena vokatra mazava. Lanin’ireo vondrona tsy miankina hanakaramana ny mpiasany sy hanaovan’ny vahiny fikarohana fotsiny ny ampahany betsaka amin’ireny vola ireny. Tonga kosa angamba, ankehitriny, ny fotoana tokony handraisan’ny fitondram-panjakana an-tanana ny fiaroavana ny tontolo iainana eto amintsika. Raha tsy ny fitondrana mihitsy mantsy no miditra an-tsehatra amin’ity tontolo iainana ity dia hirehitr’afo toy izao hatrany i Madagasikara. Mahita tenenina foana mantsy ireo mpiasan’ny fikambanana tsy miankina mody miaro ny tontolo iainana rehefa misy ny tsy fahombiazana.
Ravalo tsy Manana