Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Marovoay – Fifandonana teo amin’ny fokonolona sy ny jiolahy

Tsy zava-baovao ho an’ny rehetra intsony ny fanafihana trano, izay fatra-pitranga eo anivon’ny fiarahamonina. Tsy milanja tanampolo fa tsy maintsy miaraka amin’ny fitondrana fitaovam-piadiana maro isan-karazany. Eo anatrehan’izany, maneho firaisankina ny fokonolona mba hiarovana ny aina sy ny fananana. Toy izay nitranga tany  amin’ny distrikan’i Marovoay, fokontany Ambohimanga, kaominina ambanivohitr’Anosinalainolona ny sabotsy 17 septambra lasa teo satria noho ny fahenoan’ny fokonolona mialoha fa hisy fanafihana eny an-toerana dia niomana tamin’ny fanaovana vela-pandrika izy ireo.

Vokany, raikitra ny fifandonana  teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Miisa 12 ireo olon-dratsy, izay nitondra antsy lava sy lefona ka nanafika ny tanàna, tokony ho tamin’ny 07 ora hariva. Vokatr’izany, fifanenjanana teo amin’ny roa tonta izay dia jiolahy iray no maty noho ny tsatoka antsy nahazo azy. Tafaporitsaka kosa ireo namany 11 ambiny. Marihina etoana fa tsy nisy ny entana na ny omby voaroba. Nisy ny fepetra noraisina manoloana izany toe-java-nitranga izany, ka avy hatrany dia nidina tany an-toerana ny mpitsabo sy ny zandary avy ao Anosinalainolona hanao ny fizahana ny razana sy ny famotorana ny raharaha.

Anna Ra.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre