Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Ivohibe – Dahalo iray matin’ny tambabe

Tratran’ny akanga maro tsy vakin’amboa ny andian-dahalo iray tany Ivohibe ka niala maina ary nisy iray aza namoy ny ainy mihitsy. Miisa 12 ireo malaso no nanafika tamin’ny tanàna iray ny alin’ny sabotsy lasa teo ka omby miisa 26 no lasan’izy ireo. Efa matipaika anefa ny lamina napetraky ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ka vao raikitra ny antso vonjy fa nisy dahalo nanafika dia efa samy nandray ny andraikitra nankinina taminy ny tsirairay. Samy nihetsika avokoa ireo andrimasom-pokonolona, miampy ny dinabe sy ny kalaony nanao ny fanarahan-dia sy ny sakana rehetra. Efa nahare ny zava-nitranga rahateo ny tanàna manodidina ka nifanehitra tamin’ny Jama tany amin’ny 22 kilaometatra ireo dahalo. Tsy afa-niverina ireo olon-dratsy tamin’izany satria efa nanaraka avy aoriana ihany koa ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona. Raikitra ny fifandonana ary namoy ny ainy ny dahalo iray fa ny namany miisa 11 kosa tafaporitsaka tany anaty ala mikitroka ka tsy tratra. Araka ny fantatra dia efa tena mirindra tanteraka ny andraikitra nankinina amin’ny vondron’olona rehetra any Ivohibe ary efa nahazo fiofanana mifanaraka amin’izany avokoa izy rehetra.

Dom

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre