Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Vakinakaratra – Nofirain’ireo jiolahy ny famaky ilay tompon-trano

Tsy mitsaha-mitombo ary miha mahazo vahana hatrany ny vaky trano amin’izao fotoana ary efa tsy mifidy toerana hanatanterahana izany intsony ireo jiolahy. Trano iray indray àry no lasibatry ny jiolahy miisa enina nirongo basy sy antsy lava ny sabotsy lasa teo tany amin’ny faritra Vakinakaratra tao amin’ny fokontany iray antsoina hoe Ambatondradama ao amin’ny kaominina Anjoma Ramartine tokony ho tamin’ny 12 ora alina. Araka ny vaovao azo dia efa nihaodihaody teny amin’ny manodidina nisava lalana ny sasany tamin’ireo mpamaky trano ireo ary maro no milaza fa olona eny an-toerana ihany ireo mpanome vaovao. Niandry ho maizina sy mangina tsara ireto olon-dratsy vao nianika ny tamboho ary niroso avy hatrany tamin’ny famohana ny varavarana. Henon’ilay tompon-trano anefa ny feon’ny fanalahidy nopitsohan’ireo mpanao ratsy ka nidina ny fandriana nijery ny zava-misy avy hatrany ity farany. Vao tafiditra ny trano anefa ireto jiolahy dia ny endriny no tazan’izy ireo ka namely azy avy hatrany tamin’ny famaky ny iray. Naratra mafy araka izany teo amin’ny faritry ny tratrany sy ny tanany. Basim-borona iray monja anefa no mba lasan’ireo jiolahy. Ilay raim-pianakaviana kosa nalefa avy hatrany eny amin’ny hopitaly notsaboina. Efa manohy ny famotorana amin’izao fotoana izao ny zandarimaria ao Mandoto.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre