Analamahitsy – Ny olona hamonjy indray no namoy ainy
Tantara mampalahelo sady mampihetsi-po no niseho ny alatsinainy 19 septambra lasa teo teny Analamahitsy. Toy ny angano no fandraisan’ny maro ny zava-nitranga raha henoina kanefa dia tena izany tokoa no zava-niseho. Lehilahy iray nandeha nividy fanafody ho an’ny vadiny izay nilaina maika no namoy ny ainy noho ny hatairana be loatra angamba ka nahatonga ny fony nijanona tampoka. Izany no antsoina hoe andro miditra hoy ireo olona nanatrika teo. Tsy izay marary mafy tokoa no lany andro fa izay tapitra andro iainana ka rehefa ho tonga ny fahafatesana dia tsy azo lavina. Tonga teo amin’ny fivarotam-panafody « Farmasia Analamahitsy » ity lehilaly ary nanontany avy hatrany ny fisian’ilay fanafody. Namaly ny mpivarotra tao amin’ilay fivarotam-panafody fa misy ilay fanafody.
Natolony ilay mpivarotra avy hatrany ny vola izay tany aminy noho izy maika sy efa mitaintanina loatra amin’ ny aretim-badiny angamba. Nefa indrisy fa tsy ampy ny vola tany aminy. Vao nahare izany ity lehilahy avy dia nitambotsotra teo ary dia maty teo no ho eo. Tsy nisy azo natao hamonjena ny ainy intsony anefa na dia natao daholo aza ny fomba rehetra namonjena azy.
Mba te hamonjy ny sakaizany no nivoahany ny trano kinanjo izy indray no namoy ny ainy. Aza manana ny marary tokoa amin’izao andro izao fa mangidy ny rora, maizina ny tany aman-danitra. Ny olana sy ny fahasahiranana tokoa tsy mampandre rehefa ho avy.
Safidy Andrianina