Voadonam-pitiavana – Namono tena tamin’ny rano mangotraka ilay lehilahy
Miha miroborobo indray amin’izao fotoana izao ny tranga famonoan-tena ary resa-pitiavana avokoa matetika ny anton’izany. Tsy mifidy sokajy fa rehefa diso fanantenana amin’ny fiainam-pitiavana dia lasa mandeha mamono tena rehefa tsy mahazaka miatrika ny akony. Ny ankamaroan’izy ireo dia na misotro poizina na avy hatrany dia mitsoraka eny amin’ireny renirano ireny. Fa ity indray mitoraka ity kosa sady mampalahelo no mampihomehy satria lehilahy iray vao 25 taona monja no namono tena tamin’ny rano mangotraka, ny sabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny 5 ora hariva tany ho any. Tao amin’ny fokontany Mandatsa tany amin’iny faritry Farafangana iny. Araka ny vaovao azo dia olana ara-pitiavana no nahatonga ity farany nanaotao foana ka nitarika azy haningotra ny ainy. Voalaza manko fa nisaraka taminy tamin’ny herinandro lasa teo ilay olon-tiany satria nahita lehilahy hafa haka vady azy ratovovavy. Nikasa ny hampiakatra azy tsy ho ela manko ity lehilahy ary efa vonona dia vonona tokoa no sendran’io vaovao tsy nampoizina io. Ny fitafy sy ny kiraro rehetra aza efa voavidy avokoa, eny na ny tombatombana amin’ny hoenti-manana rehetra aza, indrindra ny lafiny ara-bola amin’ny fanatanterahana ny vodiondry. Efa voalaza avokoa ny fianakaviana ary efa miandry ny andro malaza sisa. Tampotampoka teo anefa nahavoaray hafatra an-tarobia ilay lehilahy izay milaza fa « tsy mahavita miaraka aminy intsony ilay tovovavy ary tokony hitady olona hafa hovadiana izy ». Ankona tanteraka ary tsy nahatanty izany ity tovolahy izay tena vao erotrerony tokoa ka lasa nandeha namono tena. Tamin’ny fomba hafa kely sy mahatsiravina no nanatanterahany izany. Rano mangotraka nivadibadika izay tokony handrony mantsy no natobany ny vatany ary dia may avokoa ny faritry ny tenany iray manontolo. Raha ny voalazan’ny olona teo amin’ny manodidina dia saika nihinana fanafody ihany angamba izy saingy tsy ampy fatra izany ka nahatonga azy nanao io hadalana io. Ny fahitana fanafody maromaro niparitaka eraka ny trano no nanamarinana izany. Rehefa nikiakiaka mafy izy vao nikoropaka ny iray tanana ka nandeha nijery ny zava-misy. Nentina avy hatrany teny amin’ny toeram-pitsaboana izy ka avotra soa aman-tsara ny ainy saingy ny vatany rehetra manomboka eo amin’ny tratra ka hatreny amin’ny tongotra dia may avokoa.
Ra Tax.