Mifandrombaka amin’ny ratsy
Tranga iray tsy mety ahitan’ireo mpitondra nifandimby vahaolana ny fitakiana ataon’ny mpiasam-panjakana. Efa am-polo-taonany maro ireo mpiasam-bahoaka no manao fitakiana maro samihafa mba ho fanatsarana ny asan’izy ireo sy ny fari-piainany. Lasa nojapian’ny mpanao politika izy io ary fomba iray entina haminganana ny fitondrana mijoro. Isaka ny miova anefa ny fitondrana dia ny eo ihany no eo satria tsy misy ny fankatoavana sy fanatanterahana ny hetahetan’ny mpiasam-panjakana. Raha ny zava-misy marina hita eny anivon’ny fiarahamonina kosa anefa no jerena dia tsikaritra fa tsara fari-piainana noho ny mpiasa tenany sy ny mpiasa amin’ny orinasa tsy miankina ny mpiasam-panjakana. Mahagaga ihany ny filazan’izy ireo fa kely karama satria toa mba metimety daholo izay mpiasam-panjakana fantatra. Ankoatra ireo dia ifanotofana sy ifanosehana ny fidirana amin’ny sampan-draharaham-panjakana isan-tsokajiny. Ohatra iray manaporofo izany ny fifaninanana hidirana mpiasan’ny ladoany farany teo izay nahitana olona an’arivony maro nisoratra anarana. Tsy ao amin’ny ladoany ihany fa ny sampan-draharaha rehetra mihitsy no ifanosehan’ny tanora malagasy ny miditra aminy. Maro amin’ireo manam-pahaizana hatramin’ny Baka+5 aza no mietry mifanosona amin’ny fifaninanana izay diplaoma Bepc na baka fotsiny dia ilaina. Tsy adala anefa ny olona hikiry hiditra mpiasam-panjakana fa misy tombontsoa hitany ao. Milaza ho kely karama ny mpiasam-panjakana nefa betsaka ireo hita fa tena manan-katao eny anivon’ny fiarahamonina sy fianakaviana. Mahavidy fiara sy trano ny ankamaroan’ny mpiasam-panjakana ary tsy azo sokajiana ho vahoaka madinika. Zavatra roa ihany no azo anazavana izany dia ireto : ny antony voalohany dia mandray volabe ihany izy ireo isam-bolana fa tsy mitombina ny fitarainana hoe kely karama, ny antony faharoa kosa dia tena kely karama tokoa ny mpiasam-panjakana saingy manana fidiram-bola ambadika. Ny tatitra fanaon’ny birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) dia mamaritra mazava fa eny anivon’ny sampan-draharaham-panjakana no tena misy ny kolikoly ary efa tena fomba fanao tsy ahitam-bahaolana mihitsy izy io. Marobe ny olon-tsotra manan-draharaha eny anivon’ny minisitera sy sampan-draharaha samihafa no afaka manamarina izany. Ny mpanao gazety ihany koa dia mahalala tsara fa tena misy ary efa fahazaran’ny mpiasam-panjakana ny kolikoly saingy vitsy no sahy mitatitra izany noho ny teritery samihafa.
Hatreto izany dia tsy fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny firenena mihitsy ny mpiasam-panjakana nefa be fitakiana sy mpamingana ary mpanao takalon’aina ny fiainam-bahoaka. Tsy mampidi-bola izy ireo fa vao mainka aza mandany vola fotsiny. Averimberin’ny filoham-pirenena matetika fa saika lany amin’ny fandoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy ny fampandehanan-draharaha avokoa ny tontalin’ny fampidiram-bola azo avy amin’ny hetra sy ny haba naloan’ny vahoaka. Raha tsorina izany dia ny vahoaka rehetra tsy ankanavaka miainga amin’ireo tsy manan-kialofana sy mpangataka ka mipaka amin’ireo sokajin’olona mpanan-karena sy mpandraharaha no mandoa ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Tsy misy fankasitrahana anefa izany rehetra izany fa avonavona sy fitakiana vola ambony ampanga no miandry izay olona manan-draharaha eny anivon’ny minisitera sy sampan-draharaha isan-tsokajiny. Ankoatra ireo dia lasa fomba fanao mahazatra ny manao fitokonana izay lasa ny vahoaka madinika ihany no mijaly. Misisika hiditra mpiasam-panjakana ny rehetra nefa avy eo mitaraina ho kely karama sy tsy manao tsara ny asany ary vao mainka aza mampitombo ny resaka kolikoly sy ny fahalovana. Sehatra iray mila jeren’ny mpitondra akaiky ary handraisana fepetra hentitra io asam-panjakana io fa anisan’ny mampikatso ny asa fampandrosoana. Vola tokony hiditra any amin’ny kitapombolam-panjakana sy hanasoavana ny vahoaka lasa any am-paosin’ny mpiasam-panjakana sasany fotsiny. Alohan’ny fitakiana fanondrotan-karama sy ny tombontsoa mifanaraka amin’izany dia mila manova toe-tsaina ny mpiasam-panjakana fa tena lasa vato misakana ho an’ny fampandrosoana ny firenena fotsiny.
Ravalo tsy Manana