Maroantsetra – Nianjera avy eny amin’ny rihana voalohany ilay zaza
Zazalahy 8 taona no nianjery avy eny amin’ny rihana voalohan’ny trano fonenany tany amin’iny faritra Avaratra-atsinanan’ny Nosy iny ny alatsinainy lasa teo, tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro. Tao amin’ny fokontany Vohidaravina- Maroantsetra no niseho ity tranga ity. Araka ny vaovao azo dia nilalao irery teo an-davarangana ity ankizilahy ity ary nahita ny namany avy eny ivelany niantso azy hilalao. Nikoropaka noho izany ity farany ka avy hatrany dia nianika ny arofanina ka latsaka avy eny ambony. Izany tokoa ka “fitahian-Jagnahary” satria tsy maty ity zaza ary tsy folaka ihany koa. Ratra kely monja no nahazo azy. Ny lavarangana izay tsy ambony tsy ambany anefa azo lazaina fa mampidi-doza ihany koa. Avy hatrany dia torana teo am-pitoerana ny renin’ilay zaza raha nahare izany. Nentina tany amin’ny tobim-pahasalamana ilay zaza ary tsy nahitana faritra folaka na kely aza. Misy ihany anefa ny fanahiana fa mety misy rà miangona ihany ao amin’ny faritry ny vatan’ilay zaza. Tsy fitandreman’ny ray aman-dreny sa ny zaza no no tia andrakandrana. Araka ny maha ankizy azy anefa tsy afaka ny hanome tsiny azy ny olona fa ny lehibe no tokony hitandrina amin’ny sisa.
Ra Tax.