Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Fitaterana – Vitsy ireo taksibe ara-dalàna

Miisa 350 fotsiny hatramin’izao ny fiara fitateram-bahoaka taksibe eto an-drenivohitra no azo lazaina fa tena ara-dalàna. Araka ny fampitam-baovaon’ny kaominina mantsy dia ireo ihany no nahavita ny fanamarinana sy fitsirihana teny Antsakaviro hatramin’ny fiandohan’ity vola septambra ity. Fantatra anefa fa ny tapatapaky ny volana oktobra io no hifarana tanteraka izany fanisana atao izany. Ny tena mahavariana amin’izao tranga izao dia mihazakazaka hanondrotra saran-dalana ny mpitatitra nefa tsy rototra kosa amin’ny fampanarahan-dalàna ny fiaran’izy ireo. Ho hita amin’ny fitsirihana sy ny fanisana avokoa mantsy ny tsy ara-dalàna rehetra na ara-taratasy izany na ara mekanika amin’ireny fiara ireny. Ny tsikaritra aloha dia misy kaoperativa tena miroborobo ary mahavita mikojakoja ny fiara miasa ao aminy. Misy kosa tena mikorosy fahana sy tsy fampiseho masoandro intsony nefa dia ireny no tena mampiaka-peo amin’ny fampakarana saran-dalana. Andrasan’ny rehetra noho izany ny fandraisan’ny kaominina fepetra hentitra manoloana ireo fiara fitateram-bahoaka tsy manara-penitra. Ao anatin’ny asa fampandrosoana ny tanàna ny fanatsarana ny tontolon’ny fitaterana ka tena andrandrain’ny vahoaka ny hanajanonana ireo fiara rehetra tsy manara-penitra intsony. Ny saran-dalana tsy mitsaha-miakatra nefa ny kalitaon’ny tolotra sy ny fiara mitsotsorika.

Dom

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre