Mananjary – Telo lahy nanakalo vola sandoka ho antsasa-bidy
Tranga tsy vaovao eo amin’ny fiarahamonina intsony izany fisian’ny vola sandoka izany, indrindra fa ho an’ny lelavola mavesatra 10 000 Ariary. Adin-kafetsena sy fisolokiana avo lenta ny fanaovana izany, ary misy ireo izay matianina amin’ny fampitoviana sy ny hatsarany amin’ny vola tena izy marina. Eo amin’izay lafiny izay indrindra, telo herinandro lasa teo izay dia nisy olona tsara sitrapo nanome vaovao ireo zandary ao Mananjary fa misy olona mampiasa vola sandoka aman-tapitrisany maro, entina hametsifetsena ny hafany an-toerana. Araka izany, nikaroka olon-kafa izy ireo hahafahany manakalo ny volany sandoka amin’ny vola tena izy ka ho takalon’izay dia amidiny amin’ny antsasa-bidiny ny volany. Izany hoe raha toa ka manana 5 000 Ariary ilay olona dia hovidiany avo roa heny io vola io ka omeny 10 000 Ariary ity farany. Adin-kafetsena manajamba ny maso tokoa izany satria manaitra ny fanahy izany hoe honerana avo roa heny ny vola izay anananao. Manoloana izany trangan-javatra izany, ny 19 Septambra lasa teo rehefa avy napetraka ny vela-pandrika rehetra dia tratra tao amin’ny toerana fandraisam-bahiny iray tao amin’ny tanànan’i Mananjary ireo lehilahy telo mpisoloky. Fantatra araka izany fa avy any amin’ny kaominina ambanivohitr’i Marokarima sy Tsiatosika ireo telo lahy ireo sady nahatratrarana vola sandoka mitentina 4 700 000 Ariary saika mbola hahodina. Nisy avy hatrany ny fepetra noraisina manoloana izany trangan-javatra izany, ka efa notanana ao amin’ny zotra Mananjary izy ireo ahafahana manao ny famotorana akaiky ny mahakasika ity asa ratsy ity. Tena mahavita zava-doza ireo olona sasany satria azo lazaina fa manompo vola, hany ka na efa misy aza ny fampitandremana fa “helohin’ny lalàna hiasa anterivozona mandrapahafatiny ny mpanao vola sandoka” dia minia mandika izany, nefa misoratra amin’ilay vola alain-tahaka io lalàna io. Raha ny tao Mananjary manokana dia efa in-droa no nisian’ny trangan-javatra toy izao tamin’ity taona ity. Hatolotra ny fampanoavana avy hatrany ireo jiolahy raha vao vita ny fanadihadiana.
Anna Ra.