Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Ekar Tsaramandroso – Saika lasa indray ny lakolosim-piangonana

Raha ny eto an-drenivohitra manokana no asiana resaka dia saika efa mampiasa ireny lakolosy elektronika ireny avokoa ireo toeram-pivavahana rehetra indrindra fa ireo fiangonana katolika sy protestanta. Mbola maro ihany kosa anefa ireo izay tsy mbola manana teti-bidy hividianana izany ka dia mbola ireny lakolosy vy mavesatra ireny no ampiasain’izy ireo, indrindra fa ny any ambanivohitra sy ny any amin’ny faritra. Mitaintaina fatratra anefa amin’izao fotoana izao ireo mpiandry fiangonana mampiasa azy ireny satria efa lasa bizina malaza indray amin’izao fotoana izao ny fangalarana lakolosim-piangonana. Omaly dia ny Ekar Tsaramandroso ao Mahajanga indray no saika lasibatry ny jiolahy miisa telo tokony ho tamin’ny roa ora maraina. Araka ny vaovao azo dia nirongo fitaovam-piadiana toy ny antsy lava lela ireto mpangalatra ireto ary niezaka nanampitsoka tamin’ny fomba rehetra ny vavahadim-piangonana. Rehefa voavaha tamin’ny fanalahidy sandoka izany dia niditra avy hatrany teo an-tokontany ireo jiolahy ary niroso tamin’ny fanongotana ny lakolosy. Niteraka feo anefa ny fifampikasohan’ny vy sy ilay lakolosy ka nahatonga ilay mpiambina taitra tamin’ny torimasony. Nijery ny zava-misy avy hatrany ity farany ka ireo olon-dratsy efa nanongotra ilay lakolosy no tazany. Nilefa avy hatrany izy ireo raha vao nahatazana azy. Efa voafatotr’ireo jiolahy tamin’ny lamba mainty teo ampihatonana ilay lakolosim-piangonana katolika eny Tsaramandroso ity. Niezaka nanenjika ireo jiolahy ihany ilay mpiambina saingy nahita fa nirongo antsy maranitra izy ireo ka niverin-dalana izy. Raikitra avy eo ny fitsofana kiririoka saingy tsy nisy azo natao intsony satria efa lasa nitsoaka ireo mpanao ratsy. Marihina fa tsy eto Madagasikara ihany no misy ity fangalarana lakolosom-piangonana ity fa efa hatrany la Frantsa sy any Italy ihany koa. Mazava fa ny vidiny izay lafo dia lafo tokoa no mahatonga ny fitsiriritana satria dia varahina be efa ho 200 kilao ny iray.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre