Fampanambadiana zaza – Laharana faha-14 ny malagasy
Tia mampanambady zazavavy aloha loatra ny Malagasy. Araka ny tatitra dia ny 41 isanjaton’ny adolantsento latsaky ny 18 taona no efa manambady eto amintsika amin’izao fotoana izao. Ny tena manaitra ny maro dia ny 10 isanjaton’ny ankizy latsaky ny 15 taona dia efa miditra amin’ny sehatry ny tokantrano avokoa. Ny lalàna manan-kery anefa dia mandrara ny fanambadian’ny zaza tsy ampy taona. Izany hoe azo ambara fa tokantrano imaso avokoa ireo notanisaina teo aloha ireo. Amin’ny ankapobeny dia ny fianakaviana mihitsy no fositra ary mandefa ny ankizivavy hanambady mialoha ny fotoana mba hialana amin’ny famelomana ary ihany koa hahazoana tombontsoa maro samihafa avy amin-dralehilahy mpampiakatra. Efa maro ihany ny fanentanana ataon’ny fitondram-panjakana mikasika ny loza ateraky ny fampanambadiana zaza tsy ampy taona saingy toa tsy misy vokany izany. Mbola mifikitra amin’ny fomba izay hita fa ratsy ny ankamaroan’ny Malagasy indrindra ireo tsy dia nandia fianarana firy.
Dom