Rangory fototry ny afo
Fitavozavozana sy tsy fitandremana nataon’olona iray no naha very fihinanana ny ankamaroan’ny mponina ao amin’ny Nosy Komba. Mifantoka tanteraka amin’ny resaka fampiroboroboana ny fizahantany mantsy ny toekaren’io Nosy tsy manampaharoa eo anelanelan’Antsiranana sy Nosy Be io. Mazava ho azy fa taorian’ny fahamaizana dia hihena be ny isan’ny mpizahatany ho tonga any an-toerana. Hihena hanaraka izany ihany koa ny fanjifana ny vokatry ny tany sy ny asa tanana ataon’ny vahoaka. Na ireo hotely sy mpandraharaha amin’ny fizahantany ary mety handroaka mpiasa. Olon-tokona no rangory fototry ny afo nefa ny rehetra no mizaka ny vokatr’izany. Tsy hita atao hoe ahoana rahateo ilay nahavanon-doza satria na homena sazy faran’izay henjana aza izy tsy hampiverina amin’ny laoniny ny fahasimbana izany. Efa misy kosa ny sazy voafaritry ny lalàna ho an’izay mandoro ala ka heverin’ny maro ny hampiharana izany mba ho anatra ho an’ny hafa.
Araka ny fitenenana dia fatiantoka iray lavaka ho an’i Madagasikara sy izao tontolo izao ihany koa ny fahamaizan’ny Nosy Komba satria misy zavaboary tsy fahita maneran-tany ao. Tsy hita pesipesenina ary tombanana ho amina miliara dolara mihitsy ny sandan’ny fahapotehan’ny tontolo iainana tao Nosy Komba noho iny fahamaizana iny. Tsy fitandremana sy di-doha teo amin’ny olon-tokana no nahatonga izany.
Tranga mitovitovy amin’io ihany koa no nitranga tao Berivotra Mahajanga II tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Olona nanao tavy ihany koa no heverina ho nandoro ity toerana manan-tantara sy manan-karena amin’ny rakitry ny ela eto Madagaiskara ity. Toerana mivelona amin’ny fizahantany ihany koa i Berivotra nefa dia nisy ampahany betsaka may noho ny tsy fitandremana. Toy izany ihany koa tany Morondava. Sahirana amin’ny famatsian-drano ny mponina vokatry ny doro tanety. Nisy nandoro mantsy ny ala iray manakaiky ny loharano ampiasain’ny orinasa Jirama ka may niaraka tamin’izany ny fantsona fitrohana rano.
Tena lasa loza amin’atambo ho an’ny vahoaka malagasy sy i Madagasikara iray manontolo mihitsy ity afo sy fahamaizana etsy sy eroa ity. Ho an’ny mpanao politika dia fitaovana iray entina hanakorontanana sy hamotehana ny firenena izy io. Hatramin’izao tsy mbola fantatra izay nandoro ny Rovan’i Mabjakamiadana, sy ny rovan’Ambohidratrimo. An’arivony maro ihany koa ny tranon’olon-tsotra efa nirehitra saingy toa tsy misy tohiny ny fanadihadiana na ihany koa afa-maina ireo rangory fototry ny afo.
Raha misy angamba ny fifaninanana maneran-tany dia mety mba mitana ny laharana voalohany amin’ny fandoroana ala sy fandoroana trano ny malagasy. Saika ho isan’andro lava izao dia ahitana fahamaizana avokoa amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Hadinon’ireo mpanao izany fa fahasimbana sy faharavana no ateraky ny afo. Tsiahivina etoana ny zava-nitranga tamin’ny taona 2009 izay nandoran’ny mpanao fihetsiketsehana ny hainoamanjerim-panjakana. Hatramin’izao tsy voarina tanteraka izany ary narodana hatramin’ny tranon’ny radiom-pirenena izay vakoka manan-tantara ho an’ity firenena ity. Toa mahalasa saina ihany hoe sokajin’olona toy ny inona no manana tombontsoa amin’ny fandrehetana afo. Na ara-bakiteny io na sarin-teny dia mitombina hatrany fa miteraka fikorontanana sy savorovoro ary fahasimbana ny afo. Vao afakomaly, ohatra, tany Soamahamanina no nandrehitra afon-tanety ny grenady natsipin’ny mpitandro filaminana. Nitatitra izany tamin’ny fahitalavitra ny mpanao politika avy amin’ny Mapar dia voalaza fa saika hisy hisambotra. Nandrehitra afo politika avy hatrany io tranga io satria tsy nanaiky nolembenana ilay mpanao politika ary nampiasa avy hatrany ny fampahalalam-baovao mba ho fitaovana fiarovan-tena. Heverina fa tsy hanaiky lembenana amin’ny tranga toy izao ny mpanohitra ary handrehitra afo faran’izay zokiny hahafahana mandrodana ny fitondrana mijoro. Ahiana noho izany ny firehetan’ny afom-pitokonana raha mitohy izao tranga izao! Mahagaga anefa fa vitsy ny vahoaka sy olona ambony no mahavita mampirehitra ny afom-pitiavan-tanindrazana mba ho entina hampandroso sy hanarina ity firenena izay efa tena lataska an-katerena ity.
Dom