Vakinakaratra – Hanatanterahana « Opération Fahalemana » ihany koa
Efa tsy mifidy toerana hotafihana intsony ire jiolahy fa tapitra mitondra faisana avokoa rehefa tanana, ary efa saika ho manerana ny faritra mihitsy izany. Ao amin’iny faritra Vakinakaratra iny koa mantsy amin’izao fotoana izao dia matetika lasibatry ny jiolahy ary efa tanana am-polony maro no efa niharan’ny fanafihana. Manjaka ary miha mahazo laka ny tsy fandriam-pahalemana ary malaza fa matahotra dahalo ireo mpitandro filaminana natao hiaro ny aina sy ny fananan’ny vahoaka ao aminy. Mahakasika hatrany izay tsy fandriam-pahalemana izay dia nanatanteraka fitsidihana tany Antsirabe omaly ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rasolofonirina Béni Xavier. Sambany tokoa mantsy mba nisy minisitry ny fiarovana nanao fitsidiham-paritra tsy nitokana zava-bita tao amin’ity faritra ity. Nandritran’io fitsidihana io no nanararaotana niresaka ny olana misy eo amin’ny tanàna ka niompana tamin’ny lafiny tsy fandriam-pahalemana ny dinika nifanaovany tamin’ireo tompon’andraikitra teto anivon’ny faritra Vakinakaratra ary nisokatra tamin’ny rehetra ny fifampiresahana. Taorian’ny resadresaka tamin’ny mponina ny amin’izay mahazo azy ireo no nanapahan’ity minisitra ity fa anisan’ireo faritra 16 hanaovana ny « Opération fahalemana » ihany koa i Vakinakaratra. Fantatra koa fa amin’izao enim-bolana farany amin’ity taona 2016 ity izao no hanatanterahana izany, indrindra amin’iny ilany andrefana izay voalaza fa faritra mena amin’ny asan-dahalo iny. Nanamafy ihany koa ity mpitarika fa fitaovana ihany ireo mpitandro ny filaminana fa ireo mponina rehetra no tokony handray andraikitra mba hahitàna fahombiazana sy vokatra tsara. Nanentana ireto vahoaka sy tompon’andraikitra ireto noho izany izy ary nilaza fa ny ady amin’ny kolikoly izay tena fahavalon’ny fandriam-pahalemana ihany koa no tokony himasoana betsaka. Taorian’io fitsidihana io dia nihazo an’i Miandrivazo ingahy minisitra.
Ra Tax.