Amoron’i Mania – Mpangalatra omby iray no voatifitra
Toa miseho daholo izao karazana asan-jiolahy hita eny amin’ny faritra maro manerana ny nosy izao, ka amoizana aina’olona tsy manan-tsiny matetika. Maneho tokoa izany fa tena ady mihatra aman’aina fa tsy tantara noforonina. Eo anatrehan’izany, samy manao izay hiarovany ny manandrify azy ny tsirairay mba tsy hamoy aina na ho very fananana. Matetika tafatsoaka hatrany ireo dahalo rehefa misy ny fanafihana ataony. Mifanohitra amin’izay anefa ny zava-nitranga tany amin’ny faritra Amoron’i Mania, distrika Manandriana, fokontany Tohabory, kaominina ambanivohitr’Anjoma ny 21 septambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 08 ora maraina satria dia tratry ny tsy nampoizina ilay mpangalatr’omby. Araka izany, voatifitry ny zandary izy, raha iny nitsoaka tamin’ny fanenjehana nataon’ny fokonolona sy ny zandary azy iny. Efa ela no nikarohana io dahalo io satria tsy vitan’ny mpangalatra omby fa mpamono olona ihany koa ary mampihorohoro ny mponina. Ny borigadin’ny polisim-pirenena any amin’ny distrikan’i Manandriana no misahana ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.
Anna Ra.