Herinandron’ny fifandonana
Nafampana ary nahery vaika ity herinandro hifarana ity raha ny fanehoan-kevitra sy fanehoan-kery no jerena. Nisongadina indrindra tamin’izany ny zava-nitranga tany Soamahamanina. Tsy ampy ho an’ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana intsony ny fanehoan-kevitra sy ny fifampiresahana fa niafara tamin’ny fifandonana ny fitakiana. Tsy nifampitsitsy ny roa tonta tamin’ny tora-bato sy vely kibay ary ny fampiasana entona mandatsa-dranomaso. Tsy misangy ny mpitandoro filaminana avy amin’ny Emmoreg nefa kely kizitina tsy mataho-maty ny vahoakan’i Soamahamanina. Tsy mahagaga raha maro ny naratra avy amin’ny andaniny sy ny ankilany ary nisy ny voasambotra. Raha ny lojika sy ny tokony ho izy anefa dia azo nosorohina tsara iny fifandonana tao Soamahamanina iny. Tsotra ny antony : tsy mpifahavalo ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana. Resaka fanapahan-kevitra avy any ambony ary fifanarahana avo lenta no hahafahana mamaha io olana io. Ny vy tsy mikintrana irery nefa kosa tsy vahaolana mihitsy ny fampiasana hery amin’ny vahoaka mitaky ny zony sy miaro ny fananam-pireneny tsy ho lasan’ny vahiny. Tsorina mantsy fa matoa misy hatrany ny fifandonana eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona dia vokatry ny baiko fandravana hetsika izany. Tsy avela haneho hevitra amin’ny fitakiana am-bava miampy sora-baventy ary filaharam-be ny vahoaka dia lasa manaonao foana miditra amin’ny lojikan’ny fifandonana sy ny tora-bato. Tsy hisy hahazo tombontsoa amin’izany anefa na ny fokonolona na ny zandary satria izy ireo no lasa mifandrafy sy mifandratra ary mifampisambotra fa ny sinoa mitsotsotra any an-tranony. Lasa raharaha goavana eto amin’ny firenena ity resaka Soamahamanina ity ka mila vahaolana maika mba tsy hampihitatra azy. Tsy hisy hiady hevitra amin’ny maha ara-dalàna na tsia ny fahazoan-dalan’ny orinasa sinoa hitrandraka any an-toerana saingy kosa mbola ambony lavitra noho izany ny fitiavan-tanindrazana. Tsy aleo ve miady amin’ny mpandraharaha sinoa iray toy izay hifandrafy sy handratra ary hanagatra ny malagasy mpiray tanindrazana amin’ny tena. Aleo mantsy very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana. Raha sinoa iray no tsy faly ka miala eto dia mbola an-jatony no hoavy hitady fiaraha-miasa amintsika. Raha malagasy iray kosa anefa no noratraina sy nogadraina noho ny tolona nataony ho fiarovana ny harem-pireneny dia malagasy an’arivony maro no mahatsiaro tohina sy voadona hambom-po ka mety hitroatra hiaro io mpiray tanindrazana io.
Manana ny fanazavana ara-tekinika sy ny lojikany ny teknisianin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany nefa tsy tokony hadinon’izy ireo fa an’ny malagasy i Madagasikara sy ny volamena rehetra eto fa tsy an’ny vahiny. Tamberim-bidy kely 2% isaka ny vokatra trandrahina anefa no mba homena ny Fanjakana malagasy amin’ireny fanomezana ny vahiny hitrandraka ny harena ireny. Tsy misy fiantraikany any amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina izany ka tsy mahagaga raha mitroatra ny vahoaka. Tsy azo hadinoina fa tsy an’ny mponin’i Soamahamanina irery ny volamena any an-toerana. Izany hoe raha tena misy voka-tsoa tokoa ny fanomezana ny fitrandrahana ho an’ny vahiny dia tokony hiara-hisitraka izany ny vahoaka rehetra manerana ny Nosy. Ireo mponin’i Soamahamanina izay miady irery ho amin’ny fiarovana ny harem-pirenena indray anefa no iharan’ny antsojay sy ny famoretana avy amin’ny manam-pahefena. “Ny hisavorovoroana anefa hilantoana” ary “izay tsy miady olom-bodo fa izay to-fo mamosavy”. Mbola azo atao tsara ny mamitram-pihavanana sy mifamela ny hadisoana satria ny heloka ibabohana mody rariny. Mandray fanapahan-kevitra fotsiny ny fanjakana ka manafoana ny fahazoan-dalana hitrandraka ny volamena ao Soamahamanina, avoaka ireo nosamborina sy nogadraina ary raisina an-tanana ny fitsaboana ireo naratra. Vita izay rehetra izay dia mikarakara lanonana famitranam-pihavanana amin’ny vahoakan’i Soamahamanina ny fitondrana dia miravina ny disadisa. Raha sahy maka izany fanapahan-kevitra izany ny mpitondra dia inoana marimarina fa hanohana azy ireo vahoaka ireo.
Ravalo tsy Manana