Mikorontana ny tany
Fitokonana etsy fitokonana eroa… ! Niara-nipotra tampoka avokoa ireo rehetra mpanao fitakiana tombontsoa amin’izao fitondram-panjakana izao. Tsy vao voalohany no nisian’izany fa hatramin’ny nijoroan’ny Repoblika fahefatra mihitsy saingy nisy fotoana nangingina fotsiny ny hetsika. Izao anefa dia mipoitra avokoa ary toa mifameno sy mifampiankina. Ny eo anivon’ny asam-panjakana no tena mahery fo amin’ny fitakiana ny zo sy tombontsoa ho azy ireo. Tsy manaiky ary miziriziry ny mpampianatra mivondrona eo anivon’ny Aneffa izay mitaky tambin-karama hatramin’ny 7 hetsy ariary isam-bolana ny fitambarany. Misy amin’ireo mpiasan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ihany koa no manampy azy ireo amin’io hetsika io. Tolona no atao ka tsy misy resaka mpanabe sy mpampianatra izany fa efa fihetsika jiolahim-boto sy vavan’ny mpiady an-tsena no fomba anehoana ny fitakiana. Tsy nahomby rahateo ny fifanajana sy ny fifanambatambazana ka voatery miditra amin’ny fihetsika mahery vaika kokoa ny mpanao fitakiana mba hanerena ny tompon’andraikitra hamaly ny hetahetan’izy ireo.
Nipoitra tampoka avy any ihany koa ny sendikan’ny mpiasam-panjakana mitaky ny fampitoviana sy fanavaozana ny « grille indiciaire ». Efa an-taonany maro ihany koa, ary nandalo ireo mpitondra nifandimby ity fitakiana ity nefa tsy mety ahazoam-baliny mihitsy. Araka ny fanazavan’ny solontenan’ny mpiasam-panjakana dia efa nisy ny fifampiresahana sy ny fifanazavan’ireo tamin’ny mpitondra ary noheverina ho efa niafara tamin’ny fifanarahana izany. Tsy hita anefa izay valiny koa dia manao fampitandremana hiroso amin’ny fitokonana ihany koa izy ireo. Raha ny hita aloha dia iaraha-mahalala fa tsy mitovy mihitsy ny fari-piainan’ny samy mpiasam-panjakana arakaraka ny minisitera sy departemanta misy azy ireo. Misy tena mpanan-karena manontany ny ory nefa sady tsy dia be diplaoma no tsy olona ambony akory ao amin’ny minisitera iasany. Ny hafa kosa miraradraraka ny maripahaizana, no sady be asa sy andraikitra nefa sahiran-dava amin’ny karama kely sy tsy ampy. Maneho io fa misy mizana tsindrian’ila ny asam-panjakana ka mahatonga ny sendika sasany hanao fitakiana ny fampitoviana ny zo sy ny tombontsoa raisina.
Anisan’ny tena nanaitra ny maro ihany koa ny fanambaran’ny mpiandry fonja izay hita ho tena nihantsy mivantana ny mpitandro filaminana. Sahin’ilay nilaza ho mpitarika ireo mpiandry fonja mantsy ny nanankihana sy nanome baiko mivantana ny lehiben’ny mpitandro filaminana. Noteneniny mihitsy fa tsy tokony hosamborina sy hampidirina fisamborana ny vahoaka madinika. Tsy hay na misy resaka politika na tsia fa ny zava-misy tsy azo hiadian-kevitra dia hita fa nijoro sy niaro ny vahoaka sy ny mpanao fitakiana ilay mpiandry fonja. Misy marina amin’ny ampahany ny teniny raha ny zava-misy marina no jerena satria maro ny olon-dratsy no tokony hosamborina sy hogadraina nefa toa ny olon-tsotra tsy nangalatra na namono olona sy nisoloky indray no betsaka voasambotra sy gadraina. Efa maromaro izao ny mponin’i Somahamanina no noraofina sy notanana eny Antanimora nefa ireo nahavanon-doza namono nahafaty sy nanolana ary nanapatapaka ny tanan’ilay vehivavy teny Andraisoro mbola miriaria any anivon’ny fiarahamonina any satria tsy voasambotra.
Endrika isehoan’ny zava-misy eto amin’ny firenena avokoa izany rehetra izany ary manamafy ny tokony hametrahana fomba fitantanana miainga amin’ny fifampihainoana ary ny fijerena akaiky ny lafiny sosialim-bahoaka. Tsy misy olana tsy voavahan’ny fifampiresahana sy ny fifampihainoana izany fa ny minia manao di-doha sy manampin-tsofina no mahatonga fahasorenana sy fifampihantsiana ary korontana avy eo. Iarahan’ny rehetra mahalala fa tsy hitondra soa eto amin’ity firenena ity ny korontana savorovoro sy ny fifandonana.
Ravalo tsy Manana