Menabe – Dahalo iray voatifitra teo amin’ny lohany
Ankehitriny, tsy kely lalana ny ratsy ka izay tsy mailo dia voany. Betsaka ireo asan-jiolahy heno etsy sy eroa na maro aza ireo polisy miparitaka, mitety ny elankelan-trano dia vitan’ireo mpanao ratsy ihany ny teti-dratsiny. Ny Alarobia lasa teo dia nandravarava indray ny jiolahy tany amin’ny toerana antsoina hoe Ankilivalo ao amin’ny kaominina Bezezika tokony ho tamin’ny 9 ora alina tany ho any. Mpamaky trano 5 lahy nirongo basim-borona telo no nanafika tokantrano iray. Nitady ny fomba rehetra nidirana tao an-toerana ireo jiolahy saingy efa henon’ireo tompon-trano dieny mialoha ny feo fa hoavy ireo mpanafika ary efa nampandre mialoha ny mpitandro filaminana izy ireo. Tamin’ny fotoana nidiran’ireo olon-dratsy nandrahona ny fianakaviana iny indrindra no tra-tehaka zandary miisa 5 avy ao amin’ny tobim-paritra ao Mahabo. Raikitra avy hatrany ny fifampitifirana ary samy nitifitra avokoa na ny andaniny na ny ankilany. Nitsoaka ihany moa ireto jiolahy ka vokatry ny fifanjevoana dia lavo ny jiolahy iray izay voatifitra teo amin’ny faritry ny lohany. Ny 4 namany kosa nahita lalana hitsoahana ary tsy tratran’ireo mpitandro filaminana na dia efa nenjehina aza. Ny andro rahateo efa maizina no tsy misy jiro ny lalana. Tsy nisy noho izany ny entana sy ny fananana lasa ary efa eo am-pelatanan’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra ao Mahabo ny fanadihadiana rehetra.
Ra Tax.