Antsalova – Olona efatra narendriky ny sambo
Tsy mampiomana tokoa ny loza rehefa ho tonga na eto ambon’ny tany na eny amin’ny habakabaka na eny ambony rano. Andriamanitra no tompon’ny aina ary rehefa ho avy ny fahafatesana dia tsy misy ny azo atao. Loza an-dranomasina mahatsiravina indray no niseho tao Masoarivo ao anatin’ny kaominina Antsalova ny alakamisy lasa teo. Sambo mandeha motera iray no rendrika ary tsy teny ampovoan-dranomasina akory anefa fa mbola vao niala kely ny seranan-tsambo eo amin’io toerana voalaza io. Vokatr’izany dia olona efatra no tsy hita popoka. Araka ny vaovao azo dia entana diso fetra no nahatonga ity faharendrehana ity.
Araka ny voalazan’ireo avotr’aina nitaingina ity sambo ity dia nikasa ny ho any Morondava ny lalana saingy vao teny an-dalana dia efa hita fa tsy zaka ireo entana be ka teo Masoarivo no nanomboka nilentika ny sambo. Rendrika avokoa noho izany ny entana rehetra izay tena lafo vidy avokoa. Efa eo am-pelatanan’ny manam-pahefana moa ny raharaha koa dia harahintsika eto ny mety ho tohin’ny fanadihadiana.
Tranga toy izao no mbola misy anefa dia sahy milaza ny minisitera fa hampiroso bebe kokoa ny fampiasana vehivavy eo amin’ny sehatry ny fikirakirana sambo. Mbola ezaka be no ilaina amin’ny fahaterahan’izany tetikasa izany satria ny lehilahy izay azo lazaina fa havanana kokoa sy matanjaka aza dia tsy mahavita ny asa koa vao mainka ny vehivavy indray ve no hahavita ny asan’ny tantsambo. Ny olana eo amin’ny fiofanana sy ny karama ambany dia ambany manginy fotsiny. « Mafy ary tena mila fandavan-tena tokoa ny asan’ izy ireo. Tsy zarizary hatrany anefa ny karama no sady tsy hary fitaovana ihany koa », hoy ny sendikan’ny tantsambo eto Madagasikara.
Marihina fa tao anatin’ny fiofanana momba ny asa manodidina ny fitaterana an-dranomasina nokarakarain’ny Apfm na « Agence Portuaire Maritime et Fluviale » no nitranga ity loza ity. Ny azo lazaina dia tsy mbola voafehy ny filaminana an-dranomasina ary mbola mila ezaka be avy amin’ireo tompon’andraikitra izany.
Ra Tax.