Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Fiahiana ara-tsosialy any Taolagnaro – Nanangana fotodrafitrasa goavana ny Cnaps

« Zava-dehibe ny fanorenana sy ny fametrahana zavatra tsara ho an’ny taranaka », araka ny nambaran’ny Tale Jeneralin’ny CNaPS, Arizaka Rabekoto  Raoul. Izany indrindra no namporisika ity tahirim-pirenena ity hanangana fotodrafitrasa lehibe sy maoderina miloko manga ao Taolagnaro. Ankoatra ny birao maoderina, izay fandraisana olona sy fiasana moa dia misy ihany koa ny trano natokana honenan’ny mpiasan’ny CNaPS sy ny efitrano voatokana handraisana ireo mpamita iraka aty amin’ny faritra. Ity fotodrafitrasa ity no natao dia eo ny fampiharana ny politikan’ny fanjakana amin’ny fanapariaham-pahefana, fa eo ihany koa ny fanatanterahana ny politikan’ny CNaPS amin’ny fanakaikezana ny vahoaka eny ifotony. Tontosa omaly ny fitokanana azy ity, natrehin’ny Delegasiona mafonja avy amin’ny fitondram-panjakana notarihin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Mahafaly Solonandrasana Olivier.

Tsy hadino ireo solontenan’ny fianakaviamben’ny Cnaps notarihin’ny Tale Jeneraliny. Marihina moa fa misahana mpiasa mpikambana 15 169 sy mpisotro ronono 2 329 ny masoivohon’ny CNaPS any Faradofay, raha miisa 92 ny mpandray solon-takaitra. Notsipihan’ny Praiministra lehiben’ny Governemanta fa singa iray miady amin’ny fahantrana ny fananana fiahiana ara-tsosialy. Ny fanajana ny zo ara-tsosialin’ny mponina izay tsy voafetra ho an’ny mpiasa amin’ny orinasa ihany fa na ny eny anivon’ny fiangonana aza, ny eny anivon’ny vondrom-bahoakam-paritra ary ny tantsaha koa aza dia tena manampy amin’ny ady amin’ny fahantrana.

Herinandro izao dia renivohitry ny fiahiana ara-tsosialy i Faradofay satria nisy ny fampiofanana ireo talen-tsekoly katolika momba ny fiahiana ara-tsosialy, narahin’ny atrikasa ho fampiroborobona ny kolontsainan’ny fiahiana ara-tsosialy, nisy ihany koa ny trano heva fanatonana ny vahoaka, ny tantsoroka sy torohevitra ho an’ireo orinasa tsy miankina tao an-tampon-tanàna, ny CNaPS mitety vohitra izay nitetezana ny kaominina manodidina.

E.F

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre