Mahanoro – Nitolo-batana ilay mpanao vola sandoka
Natahotra ka nitolo-tena tany amin’ny vaomieran’ny fandriam-pahalemana ny olona voarohirohy ho nanao vola sandoka tany Ambinanindrano Mahanoro. Vola mitentina 4 alina ariary, izany hoe 1 alina ariary miisa 4 no tratra teny amin’izy ireo. Nolazaina fa tsy izy ireo no nanamboatra ilay vola fa tany amin’ny olon-kafa no nahazoany azy. Efa nahoraka be tao an-tanàna ity raharaha ity ary natahotra fitsaram-bahoaka ireo voarohirohy ka izao nanantona ny vaomieran’ny fandriam-pahalemana izao. Ity farany indray avy eo no naka fepetra nanatitra ireo mpanao vola sandoka tany amin’ny biraon’ny zandary. Efa mandeha ny famotorana mikasika ity raharaha ity.
Mirongatra be mihitsy ny fanaovana vola sandoka tato ho ato. Matetika dia mitety tanàna sy faritra ny mpanao azy ireny. Izany hoe fitaovana no entiny ka any amin’ny hotely hipetrahany no anamboarany antsokosoko izay vola haparitany eo amin’ilay toerana. Andro vitsy no ijanonany eo dia lasa mifindra any an-kafa indray izy ireo. Ireo olona voafitaka ka nandray sy tsy nahafantara ilay vola sandoka avy eo no voarohirohy rehefa misy mahatsikaritra fa tsy izy ilay vola. Helohin’ny lalàna higadra sy hanao asa an-terivozona mandra-pahafatiny ny mpanao vola sandoka eto Madagasikara ary efa betsaka ihany izay tratra izay nefa tsy mety fay ny sasany. Tsy fantara kosa hoe firy marina izao ny olona tena migadra mandra-pahafaty any am-ponja noho ity heloka bevava ity.
Dom