Tsy misy tombontsoa amin’ny korontana
Mampanahy be ihany ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny satria miha-mitombina hatrany ny risika hisian’ny korontana. Efa maro ireo tsy manafina intsony amin’ny fanehoan-kevitra etsy sy eroa fa mitaky ny fialan’ny mpitondra. Midika izany fa tsy maintsy hanao izay hanesorana ny mpitondra Fanjakana eo amin’ny toerany izy ireo. Efa misy mihitsy ny fe-potoana nomen’ireo tsy faly amin’ny fitondrana fa tsy maintsy hirodanan’izao fitondrana izao. Io no tena mampitebiteby ny mponina satria ny mpitondra Fanjakana dia efa niteny mazava fa tsy hiala ary efa namerimberina ny fahavononany hamarana hatramin’ny farany ny fe-potoana fitondrana. Izany hoe tsy maintsy hiditra amin’ny fanonganana ny mpanohitra raha te hanala ny mpitondra. Lalana roa ihany anefa no hahatongavana amin’izany dia ny fitarihana ny vahoaka hidiana andalam-be ka hampikatso ny raharaham-pirenena amin’ny alalan’ny fitokonana lavareny na ny fiantsoana ny miaramila hioko. Efa maromaro ny hetsi-bahoaka nitranga teto Madagasikara raha tsy hiresaka afa-tsy ny tamin’ny taona 1972, 1991, 2001 ary 2009. Nahomby tokoa ireny ary tena nahafahana nanongotra ireo mpitondra noheverina ho jadona sy tsy nety niala moramora nefa kosa tsy azo adinoina fa namarina an-kady ny firenena ireny fitokonana faobe ireny. Tsy nisy asa fampandrosoana vanona fa ny krizy no lasa nalaza sy fahazarana ary rehefa niova ny mpitondra dia tsy nisy nahavita nitondra fampandrosoana marina teto amin’ny firenena. Mandraka androany dia mbola mifankahala sy tsy mety mihavana ireo filoha efatra mirahalahy izay nitarika sy niharan’ny fanonganana tamin’ny alalan’ny hetsi-bahoaka. Niteraka fahantrana lalina sy fahasimban-javatra ary nampikorosy fahana ny toe-tsaina malagasy ireny krizy nateraky ny hetsi-bahoaka ireny. Tsy nahavita nanatanteraka ny fampanantenany avokoa ireo nilokaloka fa hitondra fanovàna sy hanarina ny firenena. Noho ny fifanenjehana sy fifankahalan’ireo mpanao politika nifanongana mantsy disy nisy mihitsy ny fitohizan’ny raharaham-pampandrosoana teto. Izay tonga eo amin’ny fitondrana dia milaza avokoa fa lany andro manarina ny lesoka sy tsy nety nataon’ny teo aloha. Tsy mahavita manarina ny tsy nety akory izy ireny dia efa voaongan’ny mpanao politika hafa hisolo toerana azy ireo. Toy izany mihitsy no zava-mitranga amin’izao fotoana izao. Rehefa mahazo tsikera ny mpitondra dia milaza fa efa miasa mafy saingy mbola manarina ny sazy sy ny fifandrirana tamin’ny sehatra iraisam-pirenena nohon’ny mpitondra tetezamita. Tanisaina ho anisan’ny vokatra azo ny fiverenan’ny fifampitokisana amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena. Toa adinon’ny mpitondra fa tsy manome vola hampandroso an’i Madagasikara akory ireo lazaina fa mpiara-miombona antoka vahiny nefa manao izay haharatsy endrika ny Fanjakana. Tsy tandritandrin’ny mpitondra ihany koa angamba fa raha-manga ny lanitra eo amin’izay ireo dia miharatsy ny fifampitokisana amin’ny vahoaka malagasy. Porofo iray amin’izany ny zava-mitranga any Soamahamanina. Raha nihevitra ny mpitondra Fanjakana fa tafiditra ao anatin’ny zava-bita sy vokatra tsara ny ny fanomezan-dalana ny mpandraharaha sinoa hitrandraka volamena any Soamahamanina dia tsy izay no nitranga fa niteraka savorovoro sy fankahalana ny Fanjakana izany. Manga ny lanitra eo amin’ny mpitondra sy ny sinoa fa miha-tapaka kosa ny tady eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka. Saro-piaro amin’ny taniny ny vahoaka ka tsy manaiky ny hanomezana izany ho an’ny vahiny nefa dia fandefasana mpitandro filaminana sy fifandonana ary fandratrana sy fisamborana miampy fanagadrana no setrin’izany. Lasa miteraka lonilony eo amin’ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana nefa ity resaka fampisan-kery sy fisamborana ity. Misy mihitsy no miantso ny handraisan’ny mpitandro filaminana hafa andraikitra mba hanajanonana ny hery famoretana. Io no tena zava-doza satria rehefa tsy mahavita manongana ny Fanjakana amin’ny alalan’ny hetsi-bahoaka ny mpanohitra dia ny fanonganam-panjakana ara-miaramila no vahaolana faharoa ho azy ireo. Zava-doza tsy roa aman-tany anefa izany ary hiteraka fahavoazana goavana ho an’ny firenena sy ny vahoaka satria ho lasa tany miady i Madagasikara raha sanatria ka misy tokoa izany. Io no antony ilazana ery amin’ny lohateny hoe aleo hilamina fa tsy misy tombon-tsoa amin’ny korontana. Aleo ihany mifampidinika sy mamitram-pihavanana.
Ravalo tsy Manana