Ambohidratrimo – Nanjavona ny vola 7 000 000 Ariary
Tsy mitsaha-mitombo ny fanafihana ataon’ireo dahalo, ka izay tsy mailo dia voany. Ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina dia efa betsaka ireo vahaolana naroso, toy ny fiambenan’ny mpiara-monina ny fokontany misy azy ireo avy. Saingy efa ao anatin’ny horohoro tanteraka ny vahoaka ka tsy naharitra izany fiaraha-mientana izany. Ary efa betsaka ireo niharan’ny fitaka maro samihafa, toy ny fisolokiana etsy sy eroa, izay miteraka tsy fifampitokisana tokoa. Hany ka tsy anavahana intsony ny olo-marina sy ny mpisandoka amin’izao fotoana izao, ny teti-dratsy rahateo dia tsy mitsahatra mirongatra. Toy izany tokoa no nitranga ny tolakandron’ny Sabotsy lasa teo tao Mazavatokana, kaominina ambanivohitr’i Mahitsy, tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany. Jiolahy 4 izay misaron-tava sy manao fanamiana miaramila ary nirongo basim-borona sy sabatra no tonga nanafika ireo mpivarotr’omby 03 izay nipetraka tao anaty hotely iray. Araka izany, niditra an-keriny tao amin’ny efitrano ireo olon-dratsy ka nitaky an-keriny ny volaben’izy ireo. Fanambanana amin’ny alalan’ireo fitaovam-piadiana miampy fanakorontanana ny entana iray manontolo no natao, mandra-pamoaka izany vola izany. Fantatra ary fa vola mitentina 7 000 000 Ariary no indray voafaoka. Nisy ihany nefa ny fifandonana teo amin’ny roa tonta, ka olona iray izay niharan’ny fanafihana no fantatra fa naratra mafy noho ny vono nahazo azy. Avy hatrany dia nalefa tany amin’ny toeram-pitsaboana tany Mahitsy ity farany. Araka izany, efa nomanin’ireto olon-dratsy ireto mihitsy ity asa ity satria maty paika tanteraka ny fomba nentin’izy ireo nanafika. Ary amin’ny maha-mpitandro ny filaminana misaron-tava azy moa dia tsy afa-nanoatra ireo tompon’andraikitra tao amin’ny hotely, ary tsy nanam-po ihany koa ny zava-nitranga. Nisy moa ny antso avo natao tamin’ireo mpitandro ny filaminana any Mahitsy ary amin’izao fotoana izao dia mbola mitohy ny fikarohana ireo olon-dratsy ireo.
Anna Ra.