Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Synodam-paritany Antananarivo Atsimondrano – Notokanana ireo mpiandry andiany « Mahatoky »

Toy ny mahazatra dia tanterahina isan-taona ao amin’ny fiangonana Malaza Gileada Andoharanofotsy ny fanokanana ireo mpiandry izay avy nanatanteraka fihofanana mandritra ny roa taona ao anatin’ny synodam-paritany Antananarivo Atsimondrano. Tamin’ity taona ity dia notanterahina ny sabotsy lasa teo izany ary mpiomana 96 no noraisin-tanana sy notokanana ho mpiandry. Toy ny fanao isan-taona dia nanaraka fihofanana mandritra ny herinandro tao amin’ny Toby Getsemane Fiderana ao Ankadilalampotsy izy ireo ary mpampihofana maro voasafidy avy ao amin’ny foiben’ny Fjkm mihintsy no nanatontosa izany fampianarana izany. Araka ny vaovao azo tamin’ireo mpiomana dia fihomanam-panahy sy fandinihan-tena lalina no tena natao nandritra ny herinandro. Niainga vao maraina, ary nandeha tongotra niala avy ao amin’ity Toby voalaza ity na ireo mpiandry zokiny na ireo izay ho tokanana ka nizotra moramora nankany ampiangonana. Izy ireo izay notarihin’ireo solontenan’ny Fkjm foibe sy ny tonian’ny sampana fifohazana (Safif). Araka ny fanao dia efa nisalotra ny akanjo masina izy ireo izay vao namakivaky ny lalana. Nitondra ny anarana andiany “Mahatoky” moa ireto voatoakana ireto ary niompana tanteraka tamin’izany teny faneva izany ny toriteny natao nandritra ny fanompoam-pivavahana. Taorian’ny fanokanana dia nitohy tamin’ny asa sy fampaherezana ny fotoana ary teo no nanatanteraka fametraha-tanana voalohany izy 96 mianadahy.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre