Antsiranana I – Mihetraketraka indray ny foroche
Matetika manao herisetra indray ireo andian-jatovo antsoina hoe : “foroche” ankehitriny. Tsy ao an-tampon-tanànan’AntsIranana irery intsony fa efa saika ho manerana ny faritra Avaratra andrefan’ny nosy. Toy ny tany Mahajanga tamin’ny farany teo, izay nanafika tanàna iray, nopho ny herisetra tiana hatao. Tsy nisy ny aina nnafoy fa nisy kosa tamin’izay no niharan’ny herisetra ka naratra. Fa tamin’ny 5 oktobra 2016 lasa teo , tokony ho tamin’ny 8 ora alina dia nisy foroche namadika ny ekipany indray tao amin’ny fokontany Tanambao I, kaominina Antsiranana. Mitombo hatrany izy ireo manao ity asa fanakorontana ny fiainam-piarahamonina ity ka araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia efa misy andiany izy ireo ka ny avy ao Tanambao V no nanao ity fanafihana tany Tanambao I ity. Vokany, tovolahy iray vao 16 taona monja no naratra mafy, izay voatery nampidirina teny amin’ny hopitaly manara-penitra saingy tsy naharitra ora firy akory anefa izy dia namoy ny ainy. Raha ny taonany dia tena mbola ao anatin’ny fotoanan’ny adolantsento tanteraka izy, izay taonan-jaza tia herisetra sy tia andrakandrana. Marihina fa avy ao amin’ny fokontany Antanambo I izy io. Manoloana izany, nampandre ny tompon’andraikitra ny tao an-toerana ka nidina nanao jery ifotony ny toe-draharaha ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Emmoreg ka lehilahy roa no voasambotra tamin’izany. Ny iray avy ao amin’ny kaominina Mahavanona, iizay notazonina ao amin’ny biraon’ny polisy, ny iray kosa avy ao Antanambao IV, distrika Antsiranana I ary notazonina ao amin’ny tobim-paritry ny zandarimaria ao Antsiranana ihany. Araka izany, misy ny fisafoanana ny tanàna manodidina ataon’ireo zandary ary mitohy hatrany ny fitadiavana ny ekipan’ireo nahavanona ny loza.
Tahirisoa