Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Finale Kopi Kole – Totankely am-polony maro no voasambotra

Tamin’ity famaranana ny andiany fahefatra amin’ity lalao Kopi Kole ity dia nametraka fanamby ny televiziona mpikarakara fa hanamafy ary hiezaka hanatsara ny fitandroana ny filaminana. Tsy vao ela tokoa mantsy izay no nisy loza nahafatesana olona nandritra ny lanonana izay notontosaina tao Mahamasina ary taorian’izay dia toa lasa saron-tahotra ny vahoaka rehefa hijery fety sy hilanonana. Nampitomboana noho izany ireo mpitandro filaminana niambina tao amin’ny Coliseum omaly ary na tany ivelany na ny tao anatiny dia rakotra zandary avokoa. Ny polisy nasionaly izay misava ny fiara sy ny moto mandalo mbola manginy fotsiny. Nefa ny ankamaroan’ny malagasy moa tsy mahay mifety raha tsy mandrairay zava-pisotro misy alikaola kely. Araka izany, mbola maro ihany ireo olona niady tao anaty vahoaka tao ary ny ankamaroany dia olona mamo avokoa.

Soa ihany fa tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana hanasaraka sy hisambotra azy ireny. Araka ny vaovao azo koa dia am-polony maro no voasambotr’ireo zandary ao amin’ny Uir na ny « Unité d’intervention rapide » ary raha ny nambaran’izy ireo dia tonta kely ny ankamaroan’izy ireo. Tsy kely lalana marina ny ratsy ary fivorivoriana tahaka ireny mihintsy no kianja tena mety amin’izy ireo hanatanterahina ny asa ratsiny. Ny tsy nampoizin’izy ireo anefa dia maro tamin’ireo zandary no nanao fanamiana sivily tao anaty olona tao. Tetika izay mora hanatrarana ireo mpangarom-paosy sy be loha migafy ao anaty olona ao. Tao anatin’ireo voasambotra moa dia nisy lehilahy iray izay mbola tsy ampy taona akory. Araka ny vaovao azo ihany koa dia maro ireo mpijery very entana toy ny finday sy vola izany. Ankoatra izay dia maro ireo tanora vao herotrerony notarisim-potsiny nody. Tsy mahazaka ny tenany intsony satria dia diso mamo loatra. Asa raha ny fijerevana fety no tsy maintsy hiboboana toaka na hoe tsy naharesy ny mpifaninana nalainy dia nimamo sisa no azo atao ? Ny azo lazaina dia efa manome fotoana sahady ny Tv plus amin’ny andiany manaraka ary ireo mpiara miasa sy mpanohana dia efa maro no nanamafy fa mbola handray anjara mavitrika ary anisan’izany ny Orinasa Sodiat.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre