Fiainam-bahoaka – Mitsoa-ponenana ny olona noho ny fiakaran’ny ofan-trano
Tsy mitsaha-miakatra ny vidim-piainana ankehitriny. Iaraha-mahalala ny hakelezan’ny karama izay tsy mahavita ny fiainana ao an-tokantrano akory. Ny sakafo isanandro, ny saram-pianaran’ny mpianatra, ny saran-dalana mbola miampy ny hofan-trano sy ny filana an-davanandro…sns izay ilàna vola avokoa nefa mivelona amin’ny antoka karama farany ambany indrindra, izay mitentina 100 000 ariary ny ankamaroan’ny malagasy. Ny hita anefa miha miakatra ihany koa ny hofan-trano amin’izao fotoana ary tsy mifidy toerana intsony izany. Tsy eto an-drenivohitra irery intsony no lafo izany fa hatreny amin’ireo toerana sokajiana ho ambany tànana aza dia mampikolay ny rehetra. Vokatr’izany, maro ireo olona mifindra trano tsy fidiny rehefa tonga ny fiandohan’ny volana. Matetika dia ny tsy fahaloavana hofan-tranony no anton’izany. Maro amin’ireo ankohonana aza no mitsoaka tompon-trano amin’ny alina mihitsy. Araka ny fanazavana azo tamin’ireo tambajotra mpampanofa trano dia ny efitra iray tsy misy fivoahana sy fandroana ary lakozia no iray hetsy ariary eo ho eo isam-bolana. Mila efa hitovy amin’ny karama farany ambany mihitsy izany. Tsy mahagaga intsony raha mitombo isan’andro izao ireo tsy manan-kialofana manampy isa ireo mpangataka eny an-tsena sy eny ambany tonelina. Fa na izany koa aza dia sarotra ny mahita mpanofa trano mahatoky. « Efa alina be ilay ramatoa no tonga namindra entana dia gaga ihany ny tena anefa moa mila mpanofa dia nekena ihany. Namo-doza anefa io olona io taty aoriana. Tsy voaloany ara-dalàna ny hofantrano. Miandry ny zanany any an–dafy handefa vola raha ny filazany. Ny vola azony anefa omeny ny Pasiteran’ny fiangonana zandriny misy azy. Ambony hono ny fiangonana, dia izahay no nampijaliany. Loza ataon’ ireo pasitera kely ireo, maka ny volan’ ny mpiangona, manome saina ratsy ny mpino ao aminy. Ny sasany aza manery ny vehivavy marivo salosana ao aminy hanery ny zanany aty andafy hanangana azy mivady hono. Rehefa avy eo dia nitsoaka izy ireo ary nentiny nanaraka azy na ireo entana tsy azy aza », hoy ny tompon-trano iray nitantara ny nahazo azy.
Ra Tax.