Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Ilakaka – Asan-jiolahy nivadika resaka politika

Lasa resaka politika sy fifanandrinan’ny samy manam-pahefana ny asan-jiolahy nitranga tany Ilakaka tamin’iny volana aogositra iny. Tratra mantsy ireo 3 lahy voarohirohy tamin’ny fanafihan mpandraharaha ka efa naiditra am-ponja nefa voalaza fa misy tompon’andraikitra manao fanelanelanana hamoahana azy ireo. Tsy manaiky izany kosa anefa ny fitsarana izay mitandro ny fahaleovan-tenany tanteraka. Eo no voalazan’ny mpampahalala vaovao avy any an-toerana fa mampisy ny fifandirana eo amin’ny samy manam-pahefana. Hita fa tsy faly amin’ilay tompon’andraikitra voalaza fa mpanao fanelanelanana ny mpandefa vaovao avy any Ilakaka ary tsy manaiky mihitsy ny fanaparam-pahefana. Raha tsiahivina dia ny zoma lasa teo no nandalo fampanoavana ireo voarohirohy tamin’ny fanafihana mpandraharaha ary ny sabotsy kosa no nalefan’ny mpitsara any amin’ny fonjan’Ihosy. Fantatra fa volabe an-jatony tapitrisa no lasan’ireto mpanafika ireto. Mbola olana goavana any amin’ny toerana lavitry ny renivohitra ny fahefana be eo ampelatan’ny tompon’andraiki-panjakana izay sahy manome baiko ny ambaratongam-pitantanana hafa.

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre