Mahaboboka – Lasan’ireo dahalo ny vola be, ilay mpamily naratra mafy
Efa lasa fanaon’ireo dahalo indray ny fanakanan-dalana ary efa manenika ny lalam-pirenena rehetra mihitsy izany amin’izao fotoana izao. Efa mihavitsy angamba ny omby hangalarina ka lasa ny manakan-dalana indray no hitan-dry zalahy fa vola haingana sy mahomby. Tao anatin’ny roa volana izay dia trangana fanakanana efa ho folo raha kely indrindra no niseho ary tamina toerana samihafa avokoa izany. Tsy mijanona fa mitady fika hatrany ireo dahalo hanatanterahana ny asa ratsiny ary raha ny fanakanan-dalana amin’ny alalan’ny vato no nataon’izy ireo taloha dia efa ry zareo tenany mihitsy amin’izao no manakana ny fiara. Mody manao toa ireny miandry fiara mandalo na « Auto-stop » ireny mantsy izy ireo ary rehefa tsy mijanona dia tifitra variraraka no mahazo ny fiara. Toa izany indrindra ny nahazo ity fiara Taksiborosy iray izay voasakana ny sabotsy lasa teo tany amin’ny toerana iray antsoina hoe Antaretra, ao amin’ny kaominina Mahaboboka, amin’iny lalam-pirenena faha-7 iny. Araka ny vaovao azo dia dahalo miisa 5 nitondra basim-borona avokoa no nanatanteraka izany asa ratsy izany. Rehefa nijanona ilay fiara dia nandrahona ny hitifitra avy hatrany ireo olon-dratsy raha tsy midina daholo ireo mpandeha ary mamoaka izay any ampaosiny rehetra. Rehefa nidrikina anefa ilay mpamily dia voadaroka tamin’ny vody basy ary teo no namparatra ny lohany. Natahotra noho izany ireto mpandeha ka nidina sy namoaka ny vola rehetra. Mitentina 1 300 000 ariary ny vola lasan’ireo dahalo, miampy ny fakantsary 2 sy vangovango volamena 2 ary volafotsy 2, izay fananan’ireo mpandeha avokoa. Rehefa avy nampandre ny mpitandro filaminana ireo mpandeha dia nanao fanarahan-dalana avy hatrany ireo zandary avy ao Mahaboboka. Mitohy ny fanadiadihana.
Ra Tax.