Mahajanga – Tsy azo hanaovana fitokonana ny oniversite
Namoaka naoty ny eo anivon’ny oniversiten’Ambondrona ao Mahajanga fa tsy azo anaovana fihetsiketsehana intsony ny faritry ny fianarana raha tsy nahazoana alalana. Ny hisorohana ny fihoaram-pefy no voalaza fa nandraisana io fepera io. Tato ho ato tokoa mantsy dia nitana ny loha laharana amin’ny fanaovana fitokonana sy fihetsiketsehana ny eo anivon’ity oniversite ity. Farany teo izao dia nosakanan’ny andiana mpianatra ny vavahady miditra ao ka tsy afaka nanangan-tsaina ny mpampianatra sy ny mpandraharaha. Anisan’ny mahery vaika ihany koa ny mpianatry ny oniversiten’i Mahajanga satria matetika dia miafara amin’ny fifandonana mahery vaika hatrany ny hetsiky ny mpianatra ao Mahajanga. Ankoatra ny fanakorontanana anefa dia manana ny rariny hatrany ireo mpianatra amin’ny fitakiana ataony. Matetika dia ny vatsim-pianarana sy tambin-karama tsy voaloa ara-potoana no mahatonga ny hetsiky ny mpianatra.
Dom