Melaky – Manana kalachnikov tsirairay ireo mpangalatr’omby
Mitaraina ny vahoaka any amin’ny faritra Melaky ny amin’ny tsy fandraisan’ny fanjakana fepetra manoloana ny tsy fandriam-pahalemana. Fantatra mantsy ankehitriny fa tsy mitsaha-mirongatra izany. Araka izany dia nilaza ny solombavam-bahoaka any an-toerana, Andriamatoa Ramarolahy Maurice fa tsy mandry ny tanàna satria misy andian-dahalo marobe mivondrona amin’ny fangalarana omby ka aondrana aty Antananarivo. Manana Kalachnikov tsirairay izy ireo ary efa amam-bolana maro no nitranga izany toe-javatra izany. Toy ny tamin’ny volana Mey lasa teo izay nahitana fahaverezan’omby miisa valon-jato mahery, vokatry ny fandrobana nataon’ireo dahalo. Torak’izany koa ny tamin’ny tapa-bolana lasa, raha toa ka omby aman’arivony izay nokasaina halefa tany an-tsenan’i Tsiribihina no saika norobain’ireo dahalo telopolo lahy. Milaza araka izany ity solombavam-bahoaka ity fa efa nisy ny antso avo natao tamin’ny fitondram-panjakana ny amin’ny tokony hijerena akaiky ny toe-java-miseho any an-toerana satria mandry andriran’antsy tokoa ny mponina. Saingy fantatra kosa hatreto fa mbola tsy nisy ny fanapahan-kevitra hentitra nataony. Hany ka manontany tena tokoa ireo mponina eny an-toerana ny amin’ny fahamarinana misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana ary ny amin’ny fananan’ireo olon-dratsy ireo basy mahery vaika toy izany.
Anna Ra.